Actualités

BANKY BNI Namoaka tolotra vaovao indray


  • Alarobia 22 Febroary 2017

Namoaka tolotra vaovao indray ny banky BNI entina hanomezana fahafaham-po ny mpanjifa rehetra. Karazana “pack” miisa telo izy io, tolotra izay izy ireo no nisantatra izany voalohany teto amintsika no sady tsy mitsaha-mivoatra.

 Samy manana ny filàny mantsy ny olona tsirairay avy amin’ny ankapobeny, raha araka ny fanazavan-dRandriantsimialona Lanja, tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ity banky iray ity. Misy ireo mila kaonty sy sms mampahafantatra  ny kaontiny fotsiny dia vita raha misy koa ireo mila karazan-javatra maro samihafa. Tafiditra ao ny pack Vatosoa, ny pack Mahasoa ary ny pack Tongasoa.  Misy ireo karazana tolotra rehetra ilaina ao anatin’ireo pack ireo raha araka ny fantatra  saingy anisan’ny mampiavaka ny tolotra Vatosoa kosa ny fisiana taratasy fanamarinana miantoka ny fivoahan’ilay olona tompon’ny pack mandeha any ivelany raha  mbola hiantohana ihany koa izy manoloana ireo karazana loza mety hitranga any am-pandehanana na koa sanatria misy fahafatesana.  Sandaina 160.000 Ar anefa tany amin’ny folo taona lasa tany ny fahazoana ity taratasy fanamarinana io. Afaka mivadika mampiasa ireo karazana pack vaovao ireo araka izany ireo mpanjifan’ny BNI raha mbola manan-jo hitazona ny efa nananany teo aloha ireo tsy vonona.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT