Actualités

Banga ny tarika Ny Railovy Nodimandry i Rida


  • Alakamisy 12 Martsa 2015

Misaona indray ny tontolon’ny zava-kanto malagasy. Banga iray indray ny tarika Ny Railovy fa nodimandry tampoka ny marainan’ny alarobia 11 martsa tamin’ny 4ora teo amin’ny faha-50 taonany i Rida na i Dokotera Ridasoa Andriamahatana ao amin’ny tarika Ny Railovy.

 

 Nahafantaran’ny maro azy ny fiavahany ambony sehatra  noho ny halavany mihoatra ireo rahalahiny tanora mpandimby ny tarika, i Hery sy Nahr ary ny zafikelin’i Pata, i Christian. Teo  koa ny fiangaliany an’ilay hira hoe Bibilava. Anisan’ireo namerina indray ny lazan’ny tarika izy nanomboka tamin’ny taona 1990 niaraka tamin-dry Bruno Randriamahatana (Biry), Julien Randriamahatana  na i Pata (efa maty), Herinaina Andriamahatana  na i Hery, Narimiandrasoa Andriamahatana (Nahr) ary i Railôla Andriamahatana (efa maty). Vao tamin’ny zoma sy alahady teo tetsy amin’ny Carlton Anosy sy tetsy amin’ny CCESCA Antanimena izy no niaraka tamin’ny tarika nanome voninahitra ny faha-80 taonan’i Biry tao anatin’ilay hoe « Takariva Firaisana » sy ny “faha-59 taonan’Ny Railovy”. Mirary fiononana feno ho an’ny Fianakaviana manontolo sy ny tarika Ny Railovy manokana ary ny fianakaviamben’ny kanto malagasy izahay eto amin’ny Tia Tanindrazana sy ny Tambatr’orinasa Vidy Varotra iray manontolo.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT