Mba hahafahana miady amin’ny fidorohana zava-mahadomelina eto amintsika dia misy ankehitriny ny alika manamboninahitra mpitsongo dia antsoina hoe Balto, eny amin’ny zandary Ivato, izay afaka hamantatra ireo olona mitondra rongony any aminy na any anatin’ny fiarany.
Omaly no nampisehoana azy ampahibemaso tamim-pomba ofisialy tetsy amin’ny « Parking » malalaka anoloan’ny Lapan’ny tanàna Antananarivo Renivohitra nandritra ny fankalazana ny andro maneran-tany hiadiana amin’ny mahadomelina. Natao nifanandrify indrindra tamin’ny manala azy vita baka ny hetsika, hoy Ramamonjisoa Haja, tompon’andraikitra voalohany misahana izany eo anivon’ny kaominina noho ny fahafantarana fa ny vanim-potoana tahaka izao no tena mampahazo vahana ny fifohana sigara, indrindra ho an’ny tanora. Na izany aza, nambaran’ity tompon’andraikitra ity fa efa nihena ny sigara novidian’ireo mpifoka izany hatramin’ny niakaran’ny vidiny. Mikasika ireo toeram-pivarotana mbola mamela malalaka ny fifohana sigara ao aminy kosa dia betsaka ireo efa voasazy na nakatona mihitsy taorian’ny fandoavany lamandy 50.000 Ar. Toraka izany koa ireo taksibe izay nandoa lamandy ihany koa no mahazo sazy tsy miasa mandritra ny fotoana voafetra. Ho an’ireo olon-dehibe tratra maniraka ankizy mividy sigara na mampisotro toaka azy ireny moa dia nambaran’ity tompon’andraikitra ity fa hiharan’ny lalàna avy hatrany ary migadra telo volana an-tranomaizina raha kely. Nisy moa ny hafatra manokana nampitondrain’ny praiminisitra novakian’ny Talen’ny kabinetrany tamin’ity lanonana ity izay nampirisika indrindra ny rehetra hiray hina hiady amin’ity zava-mahadomelina izay anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena amin’ny ankapobeny noho ny tsy fandriampahalemana azo avy aminy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.