Bakalorea Antsiranana Tsy mahazo manome naoty latsaky ny 8

20 ?


  • Alarobia 12 Septambra 2012

Amin’ny sabotsy 15 septambra izao ny fivoriana voalohan’ireo mpampianatra nantsoina hitsara ny fanadinana bakalorea ho an’Antsiranana

 Io ilay antsoina hoe “réunion d’entente”. Amin’ny alatsinainy 17 septambra kosa vao tena hanomboka ny fitsarana ireo taratasim-panadinana rehetra. Nisy fahatarana kely ny any an-toerana vokatry ny JMJ Mada andiany faha-7 natao tany Antsiranana ny herinandro lasa iny. Nampiasaina hampiatranoana ireo mpizaika JMJ mantsy ny ankamaroan’ireo sekoly tokony hanaovana ny fitsarana tao an-toerana, ka dia nandrasana ho vita tanteraka ny JMJ vao hiroso amin’ny fitsarana ny fanadinana bakalorea sampana ankapobeny sy teknika miaraka ny any an-toerana.

Ao anatin’izany anefa no re fa misy “proviseur” manery ny olony tsy hanome naoty ambanin’ny 08/20 rehefa mitsara kopiam-panadinana, ka ireo “vacataires” mbola ampiandrasana ny fandraisana azy ho mpampianatra mpiasam-panjakana raikitra no tena lasibatra amin’io. Ho an’ireto farany dia mamofompofona kolikoly ity resaka ity ankoatra ny tetika mba hahatsaratsara ny taham-pahafahana fanadinana. Araka ny fantatra dia efa mahalala ny fisian’io resaka io ny eo anivon’ny oniversiten’Antsiranana sy ry zareo ao amin’ny ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, ka dia ho hita eo ny tohiny.

 
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT