Ny alatsinainy 23 aogositra misasakalina vao tonga tao Toliara ny kopiam-panadinana bakalôrea taona 2010 ho an’ny foibem-panadinana tao Manja, faritra Menabe. Niara-dia nitondra azy ny «Chef de Centre» sy ny proviseur-n’ny Lycée ao Manja. Taksibrosy no nizoran’izy ireo nihazo an’i Toliara, fa tsy nisy fiara manokana. Io dia mbola taratry ny tsy fananan’izao fitondrana FAT izao vola. Etsy ankilany anefa dia mibaribary koa ny tsy fisian’ny fiaraha-miasa eo amin’ny samy sehatry ny fampianarana. Anjaran’ny ministeran’ny fampianarana ambony mantsy no mikarakara ny bakalôrea, raha ny lojika dia manana fiara ny fari-piadidiam-pampianara ao Manja saingy tsy azo nampiasaina angamba. Izay eo ihany fa raha tonga tao Toliara ny kopiam-panadinana dia najanona teny ambony fiara aloha ny alina niandry maraina. Araka ny fantatra dia nanda ny hitondra azy amin’ny alina ny proviseur-n’ny Lycée ka nijanona niaraka taminy teo amin’ny toby fiantsonan’ny fiara. Lasa namonjy fodiana io misasakalina io kosa ilay «Chef de Centre», izy rahateo mipetraka ao Toliara. Izy handeha hody iny indrindra anefa no nisy nanendaka, ka very tamin’izany ny poketra misy ny karapanondro sy ny vola tao anatiny. Tsy nisy tohina kosa ireo kopiam-panadinana
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.