Actualités

Bakalorea 2010 Toamasina Nivoaka omaly ny valim-panadinana


  • Alarobia 22 Septambra 2010

Nivaly ny talata 21 septambra tokony tamin’ny iray ora maraina ny fanadinana bakalôrea ho an’ny faritra telo ao Toamasina, dia Atsinanana, Analanjorofo ary Alaotra Mangoro. Tsy fantatra mazava ny taham-pahafahana tamin’ity taona 2010 ity satria dia nanakatom-baravarana tamin’ny mpanao gazety ny eo anivon’ny “office du bacc” Toamasina.

Tsy vitany voahilikilika ny mpanao gazety, fa tsy mahazo ny vaovao karohany sy tadiaviny ho an’ny vahoaka malagasy sy ireo mpianatra ihany koa.

Tahaka ny mpianatra mijery valin’ny fanadinana nataony, no nahazoana ireto vokatra ho an’ny Toamasina I tamin’ny valin’ny bakalorea 2010 ity; ka raha ny voasoratra tamin’ny tabilaon’ny “office du bacc” Toamasina I dia 460 ny mpiadina sokajy D no afaka, ny 09 tamin’izany nahazo “mention Bien” ka 05 ny mpianatra avy ao amin’ny Lycée J. Rabemananjara (LJR), 02 mpianatry ny Lycée Stelle Maris ary 01 avy amin’ny Lycée Price. Ny sokajy A2 dia 683 no afaka izay ahitana “mention Bien” miisa 03 hifampizaran’ny LJR sy Stella Maris ary Fianatra. Ny sokajy C kosa niisa 77 no afaka izay misy nahazo ny “mention Bien” miisa 03 ihany koa ka 02 avy ao amin’ny Stella Maris 01 kosa avy amin’ny LJR. Ary farany ny sokajy A1 izay niisa 106 no afaka ka 09 ireo nahazo ny “mention Assez-Bien”, 03 LJR, 02 Stella Maris, 02 ireo nanolon-tena ary 01 avy ao amin’ny Fianatra.
Tsiliantsofina teo amin’ireo mpampianatra mpitsara no nandrenesana fa dia manodidina ny 37% eo ny taham-pahafahana fanadinana io.
 
Ankoatra izay, tsy vao sambany no ahilika toy izao ny mpanao gazety tonga haka ny vaovao ao amin’ity foibe fisahanana ny bakalorea Toamasina ity, fa isan-taona dia olana ho an’ny mpahalala vaovao Toamasina ny fiaraha-miasa eo amin’ny tompon’andraikitra ao, izay tokony asiana ezaka manokana ihany.
 
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT