Actualités

Bakalôrea 2010 Nalefa fiarakodia tsy toy ny taloha ny laza adina any SAVA


  • Alatsinainy 09 Aogositra 2010


Misy foibem-panadinana roa ao anatin’ny Faritra SAVA amin’ny fanadinana bakalôrea dia Antalaha sy Sambava. Isan-taona dia alefa fiaramanidina miainga avy ao Antsiranana ny laza adina sy ireo lehiben’ny foibem-panadinana sy mpiambina, avy amin’ny oniversite ao Antsiranana, hihazo ity faritra ity. Tamin’ity indray mitoraka ity anefa dia nalefa fiarakodia izy ireo, niainga tamin’ny zoma 06 aogositra tao Antsiranana, hihazo an’Antalaha sy Sambava, hiatrika ny fanadinana “2ème série” ho an’ny sampana teknika sy teknôlôjia, izay hamaky lay ny bakalôrea 2010. Midika io fa sahirana ara-bola ity fitondrana FAT ity, na dia miezaka mafy manafina izany aza ary mbola sahy milaza fa misokatra ny famatsiam-bola. Ankoatra ny fandefasana ireo lehiben’ny foibem-panadinana amin’ny fiarakodia mantsy dia mbola narahina fepetra koa izany, fa raha tsy tafaverina ao anatin’ny fotoana efa nofaritana mialoha, aorian’ny fahavitan’ny adina an-tsoratra dia tsy iantohana ny fandaniana amin’ny andro mihoatra. Hafa kely ! 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT