Actualités

Bakalorea 2010 Mety tsy ho tontosa ny fanadinana


  • Alarobia 04 Aogositra 2010

Tsy mbola voavaha ny olan’ireo mpandraharaha eny amin’ny oniversite Antananarivo. Nody maina indray izy ireo omaly raha nanantena fa handray ny karamany volana jolay.

Ahiana mafy ny tsy hahatontosa ny fanadinana bakalorea 2010 satria samy tsy misy miasa avokoa ireo mpiasa mpikarakara sy mpanomana ity fanadinana ity. Sampandraharaha eo ambany fifehezan’ny fiadidiana ny oniversite ihany koa mantsy ny “Office du Baccalauréat”. Ny alatsinainy izao anefa no manomboka ny fanadinana ho an’ireo mpianatra ao amin’ny sokajy teknika. Ankoatra ny resaka karama dia tsy manana tetibola hiasana koa ity ofisy ity raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra iray ao an-toerana izay nisafidy ny tsy hitonona anarana. Raha hiverenana kosa ny fitokonana ataon’ireo mpiasan’ny oniversite dia omaly no nalefa teny amin’ny ministeran’ny tetibola ny anarana sy ny karaman’ireo mpandraharaha rehetra. “Raha naka ny lisitr’ireo mpiasa ny ministeran’ny fampianarana ambony tamin’ny volana jona dia 1200 no azony saingy isan’ny mpiasam-panjakana ihany ireo fa tsy ao anatiny ireo mpiasa ECD izay misy 500. Raha atambatra izany dia 1700 ny isan’ny mpiasa”, hoy Rakotoarisoa Tiburce Rivo, mpikambana ao amin’ny firaisankinan’ny mpandraharaha manoloana ny resabe momba ny fisian’ny “mpiasa matotoa”. Ny filohan’ny mpianatra ao amin’ny AEFLSH kosa dia miantso ny mpianatra rehetra ao amin’ny fakiolten’ny teny sy haisoratra ary ny mahaolona ho tonga eny an-toerana anio maraina. Hodinihana amin’izany ny olan’ny fakiolte izay mikatona ankehitriny, noho ny resaka vatsimpianarana amin’ny ankapobeny.

 
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT