Actualités

Bakalôrea 2010 - Antsiranana Tsy mbola manomboka ny fitsarana


  • Sabotsy 28 Aogositra 2010

Amin’ny fiandohan’ny herinandro ambony io vao mety ho raikitra ny fitsarana ny taratasim-panadinana bakalôrea taona 2010 ho an’ny foibem-pitsarana Antsiranana. Ny alakamisy 20 aogositra 2010 no nifarana ny adina an-tsoratra ho an’ny taranja ankapobeny, herinandro aty aoriana tsy mbola manomboka ny fitsarana fanadinana.

Midika io fa misy ny fahasarotana. Eo ny lalana, manaraka ny fitaterana, nanampy azy ny fiarovana ny taratasim-panadinana fa ny lehibe indrindra dia ny ara-bola. Sarotra ihany no hino hoe na hodiavina an-tongotra aza angamba miala amin’ireo foibem-panadinana miisa valo, dia Antsiranana I, Nosy Be, Ambanja, Andapa, Ambilobe, Sambava, Antalaha ary Vohémar izay distrika fiavian’i Tongavelo Athanase, ministry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ao anatin’ny faritany mizakatena Antsiranana teo aloha, mety ho efa tonga ao Antsiranana renivohitra. Araka ny fandaminana dia mbola eo am-piandrasana ny fahatongavan’ireo taratasim-panadinana avy any amin’ny distrika any, miandry fiaramanidina, no mahatara ny fanombohan’ny fitsarana bakalôrea ao Antsiranana ity. Marihina fa nalefa tamin’ny zotra an-tanety ny laza adina sy ny lehiben’ny foibem-panadinana talohan’ny bakalôrea. Raha ny toromarika azon’ny mpitsara moa amin’ity dia ny hoe, bakalôrea madio, mangarahara nefa tsara ny vokatra. Asa izay tiana hahatongavana amin’io. Samy miandry izay ho vokatr’izany eo ny rehetra. 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT