Actualités

Bagdad 67 Ha Mpivarotra 300 koa no hoesorina


  • Zoma 14 Aogositra 2015

Taorian’ny nanalan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ireo mpivarotra asa tanana miisa 350 tetsy amin’ny Coum 67 ha dia fantatra izao fa tsy maintsy esorina amin’ny toerany ihany koa ireo mpivarotra etsy amin’ny Bagdad 67 ha manoloana ny “arrêt” taksibe ato ho ato

 

. Orinasa mpaninjara solika iray lehibe iray no nahazo ny tany ka mpivarotra manodidina ny 300 isa no voakasik’izany. Mba tsy hisian’ny fanalana an-keriny sy ny korontana toy ny nitranga tetsy amin’ny Coum ny alatsinainy lasa teo ary dia nanelanelana ireo mpivarotra ireo sy ny tompon’ity tobim-pivarotan-tsolika nahazo ny tany ity avy hatrany ny fikambanana Hafari Malagasy. Nosantarina tamin’ny fampihaonana ny roa tonta teny Soavinimerina izany omaly ka fantatra fa afindra amina toerana iray eo amin’ny manodidina ihany ireo mpivarotra ireo no sady omena vola ihany koa hahafahany manatsara kokoa ny foto-pivelomany. Ny tsy hisian’ny fibodoana fananan’olona no tanjona, hoy ny fikambanana Hafari no sady tsy hamonoana ny madinika ihany koa, asa fivarotana mamelona ankohonana an-jatony isan’andro. Na izany aza anefa dia mizarazara ny hevitr’ireo mpivarotra ireo. Misy mantsy ireo nanaiky ny hiala avy hatrany raha misy koa ireo tsy manaiky ny hiala na dia omena toeran-kafa sy vola aza.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT