Karohina atao hazalambo hatramin’izao ilay karana mpanao trafikana Andramena, mpitantana teo aloha ny bac Fiavota, nanodina ity sambo ity nitondrany bolabolan’Andramena miisa 385 tratra tany Tolagnaro
. Mbola notorian’ny OPCI Lihemiha (tompon’ny bac) ihany koa ny tenany, satria tsy nandoa vola hofan’ny sambo nandritra ny roa taona. Manana mpitantana vaovao kosa ny Bac Fiavota ankehitriny, dia Atoa Mamodaly Zakamana Arcaduis. Ny vondrona Eoropeanina no namatsy vola. Mitatitra olona sy entana mampitohy ny kaominina roa ambanivohitra dia Saint-Augustin sy Soalary Sud any amin’ny distrikan’i Toliara II ity Baka ity ary nankatoavin’ny fitsarana ny 23 mey teo.
Faly ny vahoaka fa afa-pahasahiranana
Ity mpandraharaha ara-toekarena zanaky ny faritra izay mpitantana ankehitriny ity no nandany vola aman-karena nanamboatra ny simba rehetra tamin’ny sambo Fiavota (avy nitondra andramena sy potiky ny rivodoza Fundi) sy ny fotodrafitrasa « appontement » ao Soalary ahafahan’ireo fiara vaventy mpitatitra miditra sy mivoaka amin’ilay sambo, avy eo manohy mitatitra olona sy entana hatrany Androka, distrikan’Ampanihy Andrefana ireo taksiborosy. « Voavaha ny olana, afa-pahasahiranana ny vahoaka, indrindra amin’ny fitondrana marary, satria tsy lany fotoana sy volabe intsony. Miroborobo ny lafiny fizahantany sy ny fifanakalozana ara-barotra », hoy ny filohan’ny OPCI Lihemiha, Jophelin Noasoavina, ben’ny tanànan’i Soalary Sud.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.