Actualités

BABY SHOPPING Ahitana karazana fitafiana sy kilalao ho an’ny ankizy


  • Sabotsy 02 Desambra 2017

Nosokafana tamim-pomba ofisialy omaly etsy amin’ny Parvis hotel Analakely, hifarana anio sabotsy ilay hetsika Salon Baby Shopping, karakarain’ny Prima baby.

Olona marobe sahady no tonga namonjy ny hetsika omaly, ka misy ireo miantsena, misy ireo mitondra ny zanany tsy salama mba hojeren’ny mpitsabo raha misy ihany koa ireo maka torohevitra momba ny fanabeazana ny menaky ny ainy. Tena niavaka ity andiany fahadimy ity raha tsiahivina. Manodidina ny 30 isa mantsy ny tranoheva mandray anjara amin’izany saingy feno tanteraka. Hita eny an-toerana avokoa ireo karazana kilalao sy fitafiana ilain’ny ankizy mandritra ny fety, raha toraka izany koa ny an’ny olon-dehibe. Izany rahateo no tanjona, raha araka ny fanazavan-dRajaonah Haingo izany mpikarakara ny hetsika. Anio moa dia hisy ny fifaninanana déguisement handraisana ankizy miisa 20 anjara, arahin’ny fahafahan’ny ankizy madinika rehetra milalao sy miala voly eo amin’ilay hetsika Marathon International de Tana. Tsy ho latsa-danja amin’izany ny fisian’ilay lavanty amin’ireo karazan’entana maro samihafa mandeha mivantana amin’ny Top Radio FM 102.8

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT