Actualités

Avaratr’Ankatso Hatao aiza ny vato rehefa avy napoaka ?


  • Alakamisy 12 Martsa 2015

Raikitra fa dia hapoaka ilay vatobe mandondona ny tanŕna eny Avaratr’Ankatso. Hotanterahina amin’ity faran’ny herinandro ity izany, ary ny orinasa frantsay Colas no nanankinana azy. 57,6 tapitrisa Ariary no saran’ny asa hotanterahina eny an-toerana. Totoafo ny fanentanana ny olona hiala ny toerana voatondro fa mampidi-doza. N

 

 

isy ny niala ary natoby eny Ankatso ; betsaka koa no anefa tsy resy lahatra noho ny antony maro, indrindra fa ny fiarovana ny fananan’izy ireo. Mifantoka amin’io fanalana ny olona sy ny fiomanan’ny orinasa Colas amin’ny fametrahany ny fitaovany eny Avaratr’Ankatso ny serasera hatreto. Tsy misy mpiresaka ka manitikitika ny saina kosa ny hoe aiza no hasiana io vato be an”arivony taonina io rehefa vita ny fanapoahana azy ? Sa izay no antony tsy nanomezana ny asa ho an'ireo mpamaky vato efa matihanina eny an-toerana ireny ? Hotaterin'ny orinasa frantsay Colas mankaiza ny vato rehefa avy eo ? Any amin’ny “chantiers”-ny sa any amin’ny "tompony" mila izany amin’ny fanamboarana “villa” ? Ny ahiahy tsy ihavanana e ! Vato io, fananan’ny firenena, ka tokony hazava ny halehany fa tsy ho vitavita ho azy eo. Misy rahateo resaka mandeha fa mitady vato giranita avy aty Madagasikara ry zareo Môzambikanina, hanamboarany fotodrafitrasa toy ny lalana, fa hoe tanimanga no betsaka any aminy ka tsy maharaka ny vato, ary toa orinasa frantsay izany no miketrika an’io. Misy ifandraisany ve ireo ? Miandry isika !

 

 

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT