Mihamahazo vahana hatrany ny olana momba ny fananantany eto amintsika.
Ho an’ny fikambanana Alliance Miralanja manokana izay manana ny foiben-toerany etsy Avaratetezana Ampitatafika 2 AB dia nahatratra hatrany amin’ny 73 % ny tahan’ireo antontan-taratasy voarain’izy ireo mifandraika amin’izany tao anatin’ny telo taona nijoroany. Miseho amin’ny endrika maro io olan’ny fananantany io raha araka ny fanazavan’ny fikambanana hatrany, antony manosika azy ireo hanatanteraka hetsika goavana ato ho ato. Manana safidy roa ireo olona vonona hiara-kiasa amin’ny fikambanana Alliance Miralanja raha araka ny fantatra. Voalohany amin’izany ny fahafahana maka torohevitra fotsiny, faharoa ny fanomezana alalana ny fikambanana mba hikarakara ny antontan-taratasy mihitsy hahatonga izany ho ara-dalàna tanteraka. Tsiahivina fa miaro ny zo maha olona ihany koa ny fikambanana, anisan’ireny ny zon’ny ankizy, ny zon’ny vehivavy, ny zon’ny voafonja sy ny zo amin’ny resaka fandovana ary ny zo amin’ny fananan-tany. Mandray ireo karazana fitarainana amin’ireo olana mitranga eny anivon’ny fiarahamonina ihany koa izy ireo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.