Actualités

Avaratetezana Ampitatafika Lasan’ny Sinoa indray ny tany


  • Talata 16 Janoary 2018

Tsy mety tapitra ny ady tany ao amin’ny fokontany Avaratetezana Ampitatafika, kaominina Ampitatafika,

 

distrika Atsimondrano. Fianakaviana am-polony indray mantsy izao no fantatra fa tsy maintsy alana amin’ny trano fonenany ato anatin’ny iray volana fa lasan’ny  Sinoa ny tany. Raha araka ny fanazavan’ny solontenan’ireo fianakaviana voakasika ireo anefa dia efa tamin’ny taona 1963 ny ampahany tamin’izy ireo no nanajary ity tany nipetrahany ity ary  teo daholo no teraka ireo zanaka aman-jafiny. Misy amin’izy ireo koa no nilaza fa manana taratasy momba ny tany raha efa eo an-dalam-pikarakarana ny sasany. Nanambara moa ireo  tera-tany Sinoa haka ny tany, raha araka ny fantatra  hatrany fa tsy maintsy azera ny tranon’ireto mponina ireto fa  tany tsy misy na inona na inona no ilaina  izay marihina fa toerana efa nahavitana trano biriky avokoa ny ankamaroany. Miantso ny amin’ny tokony hijeren’ny fitondram-panjakana akaiky azy ireo araka izany ireto mponina ao Avaratetezana Ampitatafika ireto. Taona roa na telo lasa izay raha tsiahivina dia trano hazo sy trano biriky maromaro tao amin’ity fokontany ity ihany koa no efa nazera ary efa nahavitana tranobe mijoalajoala ankehitriny.

 

Pati

 

Legende : Hitrangana ady tany matetika  eto amin’ny fokontany Avaratetezana   Ampitatafika

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT