Actualités

Autoroute RN2 Hatomboka amin’ny faran’ny taona 2017


  • Talata 24 Janoary 2017

Lalam-pirenena 8.000 amin’ny 10.000 km no voakojakoja tamin’ny taona 2016 noho ny tsy fahampian’ny bolongambola.

Latsaka 20 miliara ariary mantsy ilay 51 miliara ariary voasoritra tao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibola nasiam-panitsiana ho an’ny taona 2016, hoy ny minisitry ny Asa Vaventy Razafimandimby Eric. Tanjon’ny minisitera kosa ny hikojakoja lalam-pirenena hatrany amin’ny 10.805km amin’ity taona 2017 ity. Efa mandeha rahateo ny fifampiresahana momba ireo trosana haba fanajariana lalana mitentina 250 miliara ariary tokony haloan’ireo kaompanian-tsolika. Vinavinaina hatomboka amin’ny faran’ny taona kosa ny fanamboarana ilay lalana migodana (autoroute) mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina, araka ny fanazavan’ity mpikambana ao amin’ny governemanta ity. Hifarana amin’ny volana febroary ny ketrika teknika tontosain’ireo manampahaizana sinoa ary hiditra avy hatrany amin’ny lafiny famatsiana ara-bola fanatanterahana ny asa aorian’izay ny dingana. Ho fohy kokoa mihoatra amin’ny RN2 ny halavany, araka ny fanamarihana nentin’ny minisitra mpiahy. Tafiditra ao anatin’ny FOCAC (Forum de Coopération Chine-Afrique) nosoniavina ny 3 jona 2015 tany Macao moa ny fanaovana io «autoroute» hampifandray ny faritra Analamanga amin’ny faritra Atsinanana io.

Ramano F.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT