Nampiantso ny mpanao gazety tao Ambolomadinika ny SEMPAMA Atsinanana sy Analanjirofo ny alarobia tolakandro teo, nilazan’izy ireo ny tatitra azony sy niainan’ny naman’izy ireo nandritra iny fanadinana BEPC farany teo iny.
Amin’izy ireo dia “tsy nisy fanadinam-panjakana peta-toko tahaka iny fanadinana teo iny teto amintsika hatramin’izay. Faly hahazo taha ambony fotsiny ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena dia ny hoavin’ny tanora Malagasy no simbaina”. Nomarihan’izy ireo fa “na ho inona no ambara eto, dia voamarina ny fisian’ny fandikana ny valiny nomena ny mpiadina, indrindra ny tamin’ny matematika sy fizika ary ny siansa momba ny olombelona sy ny tany”. Efa nisy fitoriana nataon’izy ireo teo anivon’ny Bianco Toamasina ny mahakasika izany, ankoatra ny napetraka ao amin’ny fampanoavana Toamasina, mba ny hijerena sy hanaovana fanamarinana mikasika ity olana goavana ity. Voamarin’ireo mpampianatra nitsara ny fanadinana mantsy fa ny 2/3-n’ny kopia notsaraina dia ahitana fitoviana na tena mitovy avokoa, teo koa ireo olona ivelan’ny fampianarana toy ny filoham-pokontany sy ny kartie mobila ary ny olon-tsotra nanao ny fiambenana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.