Tonga teny amin’ny CCI Ivato omaly ny praiminisitra Jean Ravelonarivo nanara-maso ny fizotry ny asam-baomiera momba ny famolavolana ny paritra malagasy zary ohabolana (PMO) na ny drafitra fampiharana ilay politikam-pirenena momba ny fampandrosoana (PND)
.Tena mahavelombolo ny fahavitrihan’ireo mpandray anjara hoy ny praiminisitra ary antenaina fa hamaly tokoa ny hetahetan’ny vahoaka malagasy ny zavatra hivoaka aorian’ity atrikasa ity.Andrasana amin’ny faran’ity herinandro ity ny vokatra mivaingana avy amin’izao atrikasa izao hoy ny priminisitra ary tsy maintsy hisy hatrany ny tomban’ezaka sy fanaraha-maso atao.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.