Actualités

Atrikasa momba ny asa fanaovan-gazety tao Mahajanga Ny mpanao gazetim-panjakana no nameno ny lisitra


  • Zoma 03 Aprily 2015

Fihetsika izay nahatezitra ny mpanao gazety sasany ny tsy fahitana ny lisitra ny mpanao gazety tsy miankina tamin’ny fandraisana anjara tamin’ny atrikasa ny amin’ny lalàna mifehy ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara izay tao Mahajanga.

 

Ireo mpanao gazety avy amin’ny haino aman-jerim-panjakana no nameno ny lisitra ireo mpandray anjara. Maro ny diso fanantenana sy te haneho hevitra manoloana ny lalàna mifehy ny asa fanaovan-gazety io izay ny mpanao gazety tsy miankina no tena tokony hiara-kidinika amin’ity atrikasa ity satria ity farany no matetika miatrika ny olana eo am-panatanterahana ny asany. Tamin’ny fakana ny hevitr’ireo mpanao gazety isam-paritra dia saika nantsoina avokoa ny mpanao gazety rehetra eny hatramin’ny tsy miankina aza dia tonga avokoa. Nandritra ny atrikasa dia tsikaritra fa misy tamin’ireo mpanao gazety avy amin’ny haino aman-jerim-panjakana no efa tsy am-perinasa ka mbola tafiditra ao anatin’ny mpandray anjara tamin’ity famelabelaram-kevitra ity. Midika izany fa lalana natokana ho an’ny mpiasam-panjakana ny lalàna mivoaka eo satria dia ny tombontsoan’ny fanjakana no hibahana ao. Andrasan’ireo mpanao gazety sasany tsy miankina koa ny fehin-kevitra mivoaka eo. Fantatra koa fa ny faritra DIANA indray no handray ity atrikasa ity aorian’ny fihaonana nasionaly.

                                                                                                                                   Tolin

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT