Actualités

Atrikasa manodidina ny RSS 2 andro nifampizarana traikefa teny Tsimbazaza


  • Zoma 06 Novambra 2015

Tokony ho voalohany amin’ny fandraisana andraikitra ny depiote eo amin’ny fametrahana ny RSS na ny “Reforme du Système de Sécurité”, hoy ny voalaza tao amin’ilay atrikasa notanterahina teny amin’ny Antenimieram-pirenena nandritra ny roa andro nifarana omaly alakamisy 5 novambra 2015

 

. Araka ny fanazavana nomen’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena malagasy, Rakotomandimby Jean Max taorian’ny lanonam-pamaranana, ankoatra ny maha hetsika mifandraika amin’ny Frankofonia azy dia fifampizarana traikefa nifanaovana tamin’ireo mpandray anjara maro samihafa avy any Ivelany, toy ny avy any Côte d’Ivoire  sy Angola tamin’ny solombavambahoaka malagasy izay tena vitsy an’isa tokoa no nanotrona ny hetsika (solombavambahoaka malagasy 30 teo ho eo no tonga teny Tsimbazaza) na dia ao anatin’ny fivoriana ara-potoana tanteraka aza izy ireo sy mahakasika ny olana lehibe mianjady amin’ny firenena ankehitriny no niadian-kevitra. Na izany aza dia nilaza ny fahavononany hampita ny resaka amin’ireo depiote namany ny filoha Jean Max Rakotomandimby. Ampiarina any amin’ny firenena afrikanina maro ankehitriny ity RSS ity, hoy izy, izay hikatsahana  indrindra ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka ao anatin’ny fanajana ny zo maha olona sy fankatoavana ny demokrasia ka tsy tokony ho taraiky amin’izany isika Malagasy. “Le contrôle parlementaire du système de Sécurité (Rss) et le suivi parlementaire de l’Examen Périodique Universel (Epu) » ny lohatenin’ity atrikasa ity. Nohamafisin’ny filohan’ny Antenimiera malagasy teo am-pamaranana fa  dieny eny am-pamolavolana ny raharaha eny ifotony dia tokony ho lohalaharana hatrany ny solombavambahoaka.

Ntsoavina Evariste

 

 

Leiben ny

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT