Efa tena ao anatin’ny asa maha filohan’ny komity manokana eo anivon’ny Antenimieran’ny varotra Toamasina (CCIT), ny filoha vaovaony Atoa Rajaonah Mbola, raha avy nifanolana tamin’ny filoha teo alohany izay nanasarotra ny fandraisany ny asany. Nisy ny resaka nifanaovan’ny Tia Tanindrazana taminy.
Tia Tanindrazana (TT) : Ianao izao no filoha vaovaon’ny CCIT napetraky ny ministeran’ny varotra, inona marina ny andraikitra sahaninao sy ny ekipa entinao ?
Rajaonah Mbola (Atoa Mbola) : Izaho sy ny ekipa ao anatin’ny komity manokana eo anivon’ny CCIT, dia napetraka hanomana ny fifidianana ny mambra vaovao. Efa nivoaka ny didim-pitondrana nampahafantarin’ny ministera fa ny 08 febroary 2013 no hanaovana izany. Efa eo am-panomanana izany izay izahay izao, izay no nahatonga anay efa hidina ifotony isaky ny Distrika 07 hanentana ireo izay ho mpifidy. Hatomboka ao Mahavelona Foulpointe izany ary hofaranana any Mahanoro sy Marolambo miaraka.
TT : Re izao fa nisy ny fanampiana nomen’ny ministera anareo ho fanomanana izany fifidianana izany, koa inona indray ity hoe fiaraha-miasa amin’ny tsy miankina tadiavinareo ity ?
Atoa Mbola : Natao tanana avokoa ny fifidianana nisy teo anivon’ny CCIT hatramin’izay. Hanova izahay komity, ka hampiasa fitaovana moderina. Hampiasa ‘Logiciel’ manokana izahay entina manisa sy mamaritra ny tena ho mpifidy ka avy hatrany dia hivoaka eo koa ny karatra manokana mifanaraka amin’izany. Io fitaovana io koa no hamoahana ny vokatra mba ho haingana mandritra ny fifidianana hatao ny taona 2013.
TT : Inona no tena nanosika anareo hitady io mpiara-miasa tsy miankina io ?
Atoa Mbola : Tsotra ny antony, satria mila fitaovana avo lenta sy solosaina ny fanovana tiana hapetraka, indrindra ilay ‘logiciel SIFR: Système Informatisé des fichiers de Ressortissants’. Ka izay no nanomezan’ireo mpiara-miasa ireo solosaina azo entin-tanana, ny fakantsary manokana, ‘vidéo projecteur’ ary ‘imprimantes’. Samy hahazo ny azy avokoa ny Distrika 07 hisian’ny fanomanana sy ny fanisana ary ny fifidianana. Ny iray ambiny kosa no mipetraka eo anivon’ny CCIT entina manara-maso ny fandehan’ny ezaka atao sy ny zava-mitranga rehetra manomboka izao. Ny 08 desambra rahateo no hanomboka ny fampielezan-kevitra ho an’ireo mpandraharaha ara-barotra sy indostria te hirotsaka ho mambra vaovao ny CCIT
TT : Hisy ve izany ny fanovana ny mpikamban’ny komity manokana, satria betsaka amin’ny mpikambana ankehitriny ireo ho kandida atsy ho atsy ?
Atoa Mbola : Tsy hisy aloha ny fanovana ny mpikamban’ny komity manokana izany, na alohan’ny 08 desambra izao aza no tokony hiala ireo te ho kandida. Izay mpikambana sisa eo no manohy ny asa rehetra miaraka amin’ny ekipan’ny CCIT. Ny tanjona fotsiny dia fifidianana madio, mangarahara, ao anatin’ny fanovana ary eken’ny mpikambana sy ny mpandraharaha rehetra no hitranga, mba hiverenan’ny fitokisan’ny mpandraharaha izay hita fa kivy tamin’ny CCIT ihany noho ireo zava-nisy niainany tany aloha.
TT : Hilatsaka hofidiana ve Atoa Rajaonah Mbola filohan’ny CCIT ?
Atoa Mbola : Tsoriko aloha fa tsy nivonona ny amin’izany aho, tsy ho kandida izany ny tenako. Ny tenako koa eto sady ho mpanomana ny fifidianana no solontenan’ny ministeran’ny varotra, ka tsy mety raha ny mpanomana sy ho mpanara-maso indray no ho kandida. Tsy midika izany fa tsy handrotsaka olona ny “collège” misy ahy amin’ny asa aman-draharaha ataoko, nefa mitovy avokoa ny “collège” rehetra eo anatrehako. Ity fifidianana ity rahateo no hatao fitaratra eo anivon’ny fitantanana ny CCIT hatramin’izay.
Nangonin-dRakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.