Actualités

Atoa Kevin Muller “Be loatra ny lainga aely momba an’Ambatovy”


  • Sabotsy 03 Novambra 2012

Na andro tsy fiasana aza ny alakamisy 01 novambra dia tsy nahasakana ny filoha Tale jeneraly lefitry ny tetikasa Ambatovy, Kevin Muller, nanaiky nitafa sy namaly ny fanontanian’ireo mpikamban’ny hetsika “Tsy misy miala aketo niany” nasaina manokana izany.

 Fihaonana natao tao amin’ny Faritra Atsinanana araka ny fangatahan’ny lehiben’ny Faritra, Mahavimbina Alain, ary naharitra adin’ny roa. Nambaran’i Kevin Muller fa tsy marina ny filazana fa nanome toky ny hanome vola 6 tapitrisa Ariary isaky ny mpiasa naato tamin’ny asany nandritra ny fanarenana ny orinasa ny tetikasa Ambatovy. Nomarihany hatrany fa tsy marina ny filazana fa efa nanome izany tao Moramanga ny tetikasa. Be loatra ny lainga ambara mikasika ny tetikasa Ambatovy, hoy izy, ka “tsy maintsy nampiditra ny raharaha amin’ny fitsarana izahay satria misy ny fanaovana sy fampiasana hosoka amin’izao raharaha izao, ka manakorontana ny saim-bahoaka sy manalabaraka ny tetikasa”. Nanamafy izany i Mahavimbina Alain fa lainga, fitaka, vandy avokoa ny nambara momba ny tetikasa Ambatovy hatreto ka manakorontana ny filaminam-bahoaka.

 
Rakoutou
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT