Actualités

Atao hazalambo Nilaza ny hitolo-batana i Mariannot


  • Alarobia 28 Jolay 2010


Nosokajiana ho fahavalom-pirenena Rakotondravita Mariannot noho ny fanafihana mitam-piadiana niaro fitifirana olona nataony. Efa nokarohina izy nandritra ny telo herinandro sahady izay. Natao hazalambo mihitsy aza. Omaly dia nilaza ny zandary fa tsy ho moramora ny fanenjehana azy noho izy mbola miaraka amin’ny kalachnikov efatra. Na izany aza anefa dia efa fantatra fa nihazo an’iny faritra Atsimo Atsinanana iny ny tenany nitsoaka. Niantso ny zandary izy ary nilaza fa tsy mila samborina satria hitolo-batana tsy ho ela. Na izany aza anefa dia tsy nionona tamin’izany ireo mpitandro ny filaminana izay mitohy manao hazalambo. Omaly ihany koa no natolotra ny fampanoavana ireo namany hafa izay nisy zandary. Samy naiditra am-ponja vonjimaika avokoa ireo. I Marinnot kosa dia nilaza fa hitolo-batana saingy mbola miandry...vola kely aloha. Izany hoe mety mbola hanafika faramparany mba hoenti-manany any am-ponja… 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT