Maro ny Malagasy efa tonga saina ka miezaka mitsinjo ny vody andro merika ankehitriny. Araka izany, tsy vitsy intsony no miditra amin’ireny sehatra fiantohana isan-karazany ireny.
Anisan’ny fiantohana anankiray mahaliana ny Malagasy ny “assurance vie”. Misy anefa ny fepetra momba ny fidirana amin’ny tolotra. Izay mandoa vola (prime) isam-bolana na isan-telo volana na isaky ny enim-bolana no misitraka izany, ka raha misy voina mitranga dia mahazo vola avy amin’ny fiantohana. Misy karazany 3 io fiantohana io : ao ny Assurance Vie et Accident (AVA) izany hoe raha misy loza manjo dia omena vola ho fitsaboana . 15 000 Ariary ny prime aloha dia misitraka an’io tolotra io mandritra ny herintaona ary mahazo hatramin’ny 2 000 000 Ariary, mitombina ihany koa io raha sendra misy fahafatesana. Misy ihany koa ilay tolotra faharoa atao hoe “DECES TEMPORAIRE”: amin’io indray dia misafidy renivola ilay olona manao fiantohana, izany hoe ohatrinona ny vola tiana horaisina raha misy fahafatesana ary ny fianakaviany na ny olona izay ao anaty fifanarahana (contrat) no misitraka ilay vola. Ary farany ilay tolotra “RENTE”: io indray dia karazana tahiry ka ny fandoavana ny prime dia azo atao mandritra ny taona. Raha sanatria misy fahafatesana dia omena ny fianakaviana ny renivola miaraka amin’ny zanabola. Fa raha tonga kosa ny fisotron-dronono dia mandray vola isam-bolana na isan-telo volana na isaky ny enim-bolana arakaraky ny safidiny ilay olona ary afaka alainy mitambatra koa izany raha tiany. Olana ny fahatahoran’ny olona manatona ireny fiantohana ireny kanefa maro ny tombony mety ho azo.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.