Actualités

Asaramanitra eny Iavoloha Hotambazana 10% ny mpiasam-panjakana ?


  • Alarobia 28 Desambra 2016

Hotanterahina eny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha amin’ny zoma 6 janoary 2017 ny Asaramanitra, lanonana fifampiarahaban’ny Andrim-panjakana noho ny taona vaovao.

Tompom-panasana sy mpiahy io lanonam-be io ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina mivady, ka olona manodidina 1300 no re fa hasaina ao. Tafiditra ao ireo masoivoho vahiny eto amintsika. Mandritra io fotoana io no hitarafana ny ho fandehan’ny fiainam-pirenena mandritra ny taona 2017. Nireharehan’ny fitondrana ny fahavitan’ny fihaonana iraisam-pirenena dia ny Comesa sy ny Frankôfonia ary ny fahazoana ilay volabe 10,4 miliara dolara nandritra ny fikaonan-doha tamin’ny mpamatsy vola (CBI) tany Parisy Frantsa farany teo. Lasa niala sasatra avokoa ny governemanta ho valim-pitia tamin’ireny. Etsy an-kilany ny vahoaka miaritra ny asan-jiolahy, miaina anaty haizina amin’ny delestazy, tsy mba mifety toy ny mpiasam-panjakana ny FRAM fa tsy nahazo tambinkarama ny hasarotam-piainana nefa mitombo hatrany. Ny Vahoaka efa leo ny fampiesonana lava. Inona no hambaran’ny mpitondra ? Hanao fanapenam-bava ka hampanantena fisondrotan-karama ? Eo isika mahita izy !

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT