Nisehoana gidragidra ara-pitsarana indray teny amin'ny tribonaly Anosy omaly, noho ny tsy fahafalian’ny lehibena mpitandro ny filaminana tamin’ny didy navoakan’ny fitsarana. Miaramila 2, zandary 1 ary polisy 1,
miasa eo anivon’ny fiadidian’ny Repoblika no namoahan’ny fitsarana didy fampidirina am-ponja vonjimaika (MD) noho izy ireo voarohirohy tao anaty fikambanan-jiolahy, fanafihana mitam-piadiana, halatra sy vaky trano. Voalaza fa tsy nanaiky ny didy ny lehiben’izy ireo (Chef d’escorte) fa hoe tsy azo hampidirina am-ponja ireo olony ireo. Mpiambina olona ambony sy zanaka olona ambony eto amin’ny firenena ny 2 amin’izy ireo. Voatery niantso namana mpanampy ireo mpitandro ny filaminana nisahana ny fitondrana ireo voarohirohy teny amin’ny fitsarana. Tonga teny amin’ny fampanoavana ihany koa ny avy amin’ny EMMO-REG, ary nentina teny amin’ny Toby Ankadilalana ireo voarohirohy avy eo, ary naterina teny amin’ny fonjaben’Antanimora taorian’izay. EMMO-REG marobe nirongo fiadiana no niantsoroka ny fanaterana azy efa-dahy teny Antanimora. Mitohy hatrany ny resaka tsindry sy ny tsy fankatoavana didim-pitsarana. Mampametra-panontaniana ihany koa hoe rehefa manana fitaovam-piadiana sy manana fahefana ve dia afaka manao izay tian-katao sy mitondra tena ho ambonin’ny lalàna hatrany eto amin’ity firenena ity ? Midika zavatra be ny hoe mpitandro ny filaminana miasa eo anivon’ny fiadidian’ny Repoblika, ka io anarana io no entina hiarovan-tena sy hialokalofana toy ny fanaon’ireo mpanao afera sy mpanao kolikoly manodidina ny filoham-pirenena ihany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.