Actualités

Asan-jiolahy Lasibatra ny CEMGAM teo aloha


  • Zoma 17 Septambra 2010


Raha tranona kolonely no lasibatry ny jiolahy tamin’ny talata teny Ankadikely dia tranona jeneraly indray no lasibatra omaly alina teny Alasora. Tsy vitan’ny tranona jeneraly fa anisan’ireo tomponandraikitra voalohany teo aloha teo anivon’ny tafika mihitsy ny jeneraly Rasolomahandry Edmond. Izy mantsy no lehiben’ny Etamazaoro jeneralin’ny tafika farany tamin’ny fitondran’ny filoha Marc Ravalomanana. Nanomboka tamin’ny 1 ora maraina no fantatra fa niezaka nanapaka tamin’ny «pince coupante» ny savilin’ny varavarambe miditra ao amin’ilay trano ireo jiolahy. Teo anelanelan’izay dia efa nivovo tsy nijanona ny alikan’izy ireo. Taitra anefa ny jeneraly sy ny vadiny tao an-trano ka nandrehitra jiro. Io no nampitsoaka ireo jiolahy satria natahotra sao hitifitra ireo miaramila tao amin’ity jeneraly ity. Ny maraina tokony ho tamin’ny 6 ora rehefa tonga ny mpanampy vao gaga raha tsy nahita alika intsony nitsena azy. Rehefa nojerena moa dia maty avokoa ireo alika 4 tao amin’ity trano ity ka ny roa dia ireny alika bevolo ireny ary ny roa kosa ireo alika mpiambina «berger» mihitsy. Mbola nahitana potika voridamba nanaovana fonoka ihany koa moa teo an-tokotanin’izy ireo, saingy tsy nandaitra moa ity farany. Soa aloha fa tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra na zavatra very tamin’ity tranga omaly alina ity.

Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT