Actualités

Asan-dahalo Lasibatra indray i Betroka


  • Alarobia 11 Novambra 2015

Taorian’ny nahafaty an’ny kapiteny Falihery dia ny alahady teo indray no nisy fanafihana lehibe niseho tao amin’ny distrikan’i Betroka,

 

 fokontany  Beadabo  ao  amin’ny kaominin’Ivahona izay nahafaty ny  kapiteny ihany. Misy omby  140 io fokontany Beadabo io  ka rehefa raikitra ny fifanjevoana teo  amin’ny  dahalo sy ny  tompon’omby dia 40 ihany  no lasa  fa ny 100 tavela. Tsy nahasahy nanara-dia ireo dahalo kosa ny  tao an-tanàna satria  nafonja ny fitaovam-piadiana nentin’izy ireo. Tsy nisy ny aina nafoy fa ny naratra no betsaka, hoy ny tatitra voaray.

Mahakasika ny  famongorana ity asan-dahalo ity  dia  tsy miova  ny fomba  fijerin’ireo Raiamandreny  ao amin’ny foko Bara fa tsy  misy afa tsy ny fanomezana asa ny  tanora   any an-toerana ihany  amin’ny  alalan’ny fanamboarana fotodrafitrasa ho an’ny fambolena toy ny  toha-drano sy ny lalan-drano hanondraka  ireo velaran-tany azo volena ihany no vahaolana. Nambaran’ireo Raiamandreny any an-toerana ihany  koa ny famakiana lalana hamakivaky an’io alan’andriry io ka anaovana  lalana mampitohy an’i Betroka sy Iakora  na Ranotsara  mandalo an’i Mahabo hatrany Befotaka  dia ho rava  ho azy  io zohy  fieren’ny dahalo io. Tsy lavin’izy ireo fa misy ny disadisa eo amin’ny samy   zanapoko fa  araka  ny fanazavana azo ihany  dia  ho foana  ho azy ny fifandrafiana  rehefa  misy ny hanin-ko hanina sy ny  asa ivelomana.

 Ilaina foanana haingana ihany koa ny  kolikoly eny  anivon’ny   fitsarana sy ny mpitandro  ny filaminana  dia miverina ho azy ny fitokisan’ireo mponina any ambanivohitra  ny mpitondra fanjakana, hoy hatrany  ny fanazavana azo. Ankehitriny moa dia  tsy  ampy betsaka ny mpitandro ny filaminana miasa ao amin’ny distrikan’i Betroka  satria efa   ho 28 ny polisy nafindra  toerana  kanefa mbola 17 no solony tonga ao hatramin’izao.

Andry Ratovo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT