Actualités

Asan-dahalo any atsimo Resaka harena ankibon'ny tany


  • Alatsinainy 24 Septambra 2012

Manomboka mivoaka izao ny resaka fa tena mety fitrandrahana harena ankibon'ny tany no ambadiky ny asan-dahalo any atsimo, mampihorohoro ny mponina ka mahatonga azy ireo mifindra monina.

 Misy mihitsy ireo milaza fa mety tsy misy akory izany Remenabila izany fa anarana noforonina fotsiny mba hanairana ny olona. Efa fomba fanao tany amina firenen-kafa mantsy ilay hoe korontanina ny olona dia miala eo amin'ny tranony sy ny taniny, koa dia malalaka ireo mpandraharaha sy mpanambola hiasa eo amin'io tany io sy hitrandraka ny harena ao anatiny, tahaka ny volamena, safira, diamondra. Nisy mihitsy moa fampitam-baovao miparitaka amin’ny internet, indrindra amin’itony Facebook itony fa misy izany teratany Thailandais, anisan’ny manankarena indrindra maneran-tany izany efa tonga im-betsaka tany Toliara ka nitsidika faritra maro tany ambanivohitra. Tsy fizahantany velively no ataony fa tena miendrika fitsirihana izay faritra mety hisy harena ankibon'ny tany. Raha izay tokoa no marina, dia mety sinema noforonina avokoa ny resaka halatra omby sy ny dahalo tarihan-dRemenabila any atsimo, mba hanapena-maso ny olona

Rehefa variana amin'i Remenabila sy ny hetsika ataon'ireo komando hisambotra azy tokoa mantsy ny vahoaka, dia tsy manita-tsaina manadihady lalina intsony, ny mety tena ao ambadik'io asan-dahalo mitarika fifindra-monina io. Resaka serasera sy psikolojia izany ary mandaitra foana na dia any amin'ny firenena efa tena mandroso be aza. Azo eritreretina, araka izany, fa mahalala an'io ny mpitondra sasany, ary mety efa mahazo volabe avy amin'io koa. Tato anatin'izao tetezamita izao tokoa mantsy dia najavozavo be mihitsy ny fanomezan-dalana ireo vahiny hitrandraka harena ankibon'ny tany teto, fa raha tsy ny mpanao gazety no namoaka ny vaovao, dia mety natao "par silence" fotsiny ny fakana vola 100 tapitrisa dolara tamin'ny Wisco, izay mitrandraka vy ao Soalala. Raha tsy nisy ny fanoherana mahery vaika nataon'ny mponina tany Manakara dia mety efa nihazakazaka nitrandraka fasimainty tao ny Sinoa. Misy antony manokana ihany koa matoa mbola nakana vola 75 tapitrisa dolara, indray ny tetikasa Ambatovy, ka ny 50 tapitrisa dolara atao karazana antoka amin'ny fikolokoloana ny tontolo iainana. Ity orinasa ity anefa efa nahazo ilay "permis environnemental" ara-dalàna ary vao nivoaka ilay maribola dia nanome ny fahazoan-dalana ny orinasa hitrandraka ny fitondrana tetezamita.

Nosoketaina tamin'ny resaka famarotana tany tamin'ny Daewoo Logistics mba hambolena katsaka ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, izao anefa dia mibaribary be fa misy mivarotra tanindrazana amin'ny vahiny mba hitrandrahana harena ankibon'ny tany eto, ary averina eto ihany fa olona matanjaka sy manampahefana no afaka manao izany, fa tsy olom-pirenena tsotra. Any ivelany dia efa malaza ratsy amin'izao karazana varo-maizina sy trafika rehetra izao i Madagasikara. Ny vy tsy mikitrana irery, hoy ny Ntaolo, ka tokony hitondra fanazavana matotra sy hentitra momba ireo resaka rehetra, mahatonga ny ahiahy tsy hihavanana ireo ny fitondrana tetezamita, fa tsy hilaza foana fa misy mamorona eto na mitantara angano. Mahita zavatra ary mahalala tsiambaratelo maro, ny mponina any amin'iny faritra atsimo iny, tahaka izany koa ny any amin'ireo toerana voalaza fa misy safira sy volamena. Iandrasana fahafaham-baraka goavana ve vao hilaza ny marina e ? 


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT