Actualités

Asa sosialy - HAFARI “Tsy maintsy vitako ny fanambiko”, hoy i Jean Nirina R


  • Alakamisy 30 Novambra 2017

Na dia maro aza ny olana nosedrain’ny filohan’ny fikambanana HAFARI Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina tamin’ny fanatanterahany ireo asa sosialy entina hanampiana ny mpiara-belona dia nomarihiny manokana omaly fa tsy maintsy vitany ny fanamby napetrany.

 

 Noresahany manokana ilay tetikasa fifindra-monina ao  Soaniedanana, PK 67 lalam-pirenena fahefatra  izay efa misy trano manodidina ny 274 miorina. Ankoatra izay, efa misy tsena  koa ao Soaniedanana. Natsangana ihany koa ny fiangonana izay hiitatra amin’ny famatsian’ireo mponina any an-toerana vato eto an-drenivohitra manomboka amin’ity herinandro  ity ahitana ny moellon, pavé, ny granite, gravillon ho an’ireo liana amin’izany. Tsy latsa-danja amin’izany ny fanampiana ireo mponina eto an-drenivohitra toy ny famadihana ireo trano hazo hanjary ho trano biriky, ny famahana ireo karazan’olana momba ny ady tany, asa izay tsy maintsy hovitaiko hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina na ho ela na ho haingana. Mikasika ny resaka valifaty manokana moa dia nomarihiny fa tsy hanao izay mandrakizay ny tenany ary tsy hamelona ny vady aman-janany amin’ny alahelom-bahoaka.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT