Actualités

Asa Gasy 50 mangataka hiverina any Liban


  • Alatsinainy 02 Aogositra 2010

Fanapahan-kevitra noraisin’ny filankevitry ny ministra tamin’ny herinandro lasa ny fandefasana fiaramanidina any Beyrouth (Liban) haka ireo mpiasa Malagasy any an-toerana maniry ny hody an-tanindrazana.

Raha ny antontanisa eo anivon’ny ministeran’ny asam-panjakana ny asa ary ny lalàna sosialy araka ny fanadihadiana nataon’ny iraka tany Liban dia misy 221 ireo Malagasy miasa any an-toerana ka maniry ny hody saingy tsy afaka noho ny tsy fahampian’ny hoenti-manana. Mahatratra 12.000 $ mantsy ny saran-dalana mampitohy an’i Beyrouth sy Antananarivo. Amin’izao dia efa manomboka ny fanangonana ny anaran’ireo mpiasa te hody eo anivon’ny fianakaviany eto an-toerana ary afaka manatona ny ministeran’ny asam-panjakana ihany koa ireo izay manana havana mijaly any Liban. Raha ny fanazavan-dRazanazafy Marguerite, talen’ny fiofanana arak’asa eo anivon’io ministera io dia eo am-pananganana ny komity hitady ireo porofo ahafahana manenjika ireo mpampiasa ratsy fitondrantena ny fanjakana. Ny ministeran’ny asam-panjakana ny asa ary ny lalàna sosialy, ny ministeran’ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny ministeran’ny fitsarana no mandrafitra io komity io. Nomarihin’ity tompon’andraikitra ity koa anefa dia mikasa hanangana komity hisahana ny fanaraha-maso ireo mpiasa vahiny ao aminy ny fitondram-panjakana libaney.

Te hiverina
Taorian’ny tantara ratsy nahazo vehivavy Malagasy tany Liban dia naaton’ny fanjakana ny fandefasana mpiasa any an-toerana. Tsy mahasakana ireo Agence anefa izany fa nitady fomba hafa indray izy ireo toy ny fampandalovana ireo mpiasa amin’ireo nosy manodidina antsika. 300 eo ho eo no tafiditra tamin’ny fomba tsy ara-dalàna tany Liban tao anatin’ny herintaona. Ankoatra azy ireo anefa dia misy ihany koa ireo mpiasa fahiny tany Liban no maniry ny hiverina hitady ravinahitra any amin’ity firenena ity indray. Nametraka fangatahana alalana ahafahany miverina any Liban eo anivon’ny ministera izy ireo raha ny fanazavana. “Nody an-tanindrazana izy ireo rehefa tapitra ny fifanarahana arak’asa saingy izao vonona hitady asa any Liban izao indray satria tsy nanana olana. Misy aza ireo nandefasan’ny mpampiasa azy fahiny ny tapakilam-piaramanidiny”, hoy Razanazafy Marguerite. 50 eo ho eo ny isan’izy ireo izay hanaovana fanadihadiana manokana ny momba azy ireo, ary hampanaovina taratasy fanekena ihany koa hialana amin’izay fahasarotana any aoriana. Toy izay koa ny ray aman-dreniny. Misy 16 hafa kosa anefa ireo efa namonjy ny asany any Liban mandritra ny telo taona indray.
 
 
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT