Fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety sy ny andraikitra takiany no iompanan’ny fiofanana sy fifampizarana traikefa atrehana mpanao gazety 15 avy aty amin’ny faritry ny SADC atsy Johannesbourg, Afrika Atsimo.
Ato anatin’ny tapa-bolana dia lohahevitra maromaro no ifantohan’izy ireo ka ao anatin’izany ny momba ny zo hampahafantatra vaovao sy mahazo vaovao, ny etika sy ny andraikitry ny mpanao gazety amin’ny maha mpikambana ny fireneny eo anivon’ny SADC, ny momba ny asa fanaovan-gazety mifototra amin’ny fanadihadiana lalina. Ankoatra ireo dia mibahana ao anatin’ity fiofanana ity ny momba ny demokrasia, ny etikan’ny asa fanaovan-gazety. Amin’ny ankapobeny dia saika mitovy ny olana aty amin’ireo firenena afrikanina mpandray anjara, anisan’izany i Madagasikara dia ny fibahanana na fanagiazan’ireo mpitondra ny haino aman-jerim-panjakana ka tsy dia mamela malalaka ny rehetra haneho hevitra amin’izany fitaovam-panjakana izany. Samy mahatsapa anefa ny rehetra fa raha tiana ny hampandroso ny firenena, ny hampatanjaka ny demokrasia handraisan’ny rehetra anjara dia ny fahalalahana maneho hevitra sy mampahalala vaovao no anisan’ny fototra amin’izany. Voaresaka manokana ny momba an’i Madagasikara izay malaza ratsy eo amin’ny tsy fisian’izay fahalalahana izay, eo koa ny momba ny toe-draharaha izay tsy ahitana mangirana hatramin’izao. Raha ny fanadihadiana nataon’ny Ibrahim Foundation tamin’ny 2011 ohatra dia sokajiana ho faritra mena i Madagasikara satria mpanao didy jadona ny mpitondra ao aminy. Ankoatra izay, fitaovana fampahalalana vaovao haingana ary mpifaninana matanjaka amin’ireo fampahalalam-baovao mahazatra ny Internet sy ny finday izay fitaovana avo lenta ahahazoan’ny rehetra vaovao anaty fotoana fohy. Ho an’i Afrika Atsimo, ohatra, dia mora ny hahazoan’ny tsirairay Internet amin’ny alalan’ny finday. Mbola sarotra anefa izany ho an’ny ankamaroan’ireo firenena afrikanina. Firenena 11 eo anivon’ny SADC moa no manana solontena amin’ity fiofanana ity. I Madagasikara moa dia mbola mihantona aloha hatramin’izao ny maha mpikambana azy ao amin’ny SADC, saingy na izany aza dia manana solontena isika dia i Soa avy eto amin’ny Gazety Tia Tanindrazana. Fifaninanana no nahazoana ny fiofanana izay amin’ny teny anglisy ranoray ka 80 ireo nifaninana tamin’izany.
Ny Institut for the Advancement of Journalism na ny IAJ izay feno 20 taona nijoroana ny 20 novambra lasa teo, miaraka amin’ny International Institute of Journalism any Alemaina no niara-niasa tamin’ity fampiofanana ity. Mpampianatra sy manampahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny serasera sy ny asa fanaovan-gazety, avy any Alemaina, eo koa ny avy amin’ny Wits Radio Academy ao amin’ny oniversiten’i Witwatersrand ao Johannesburg, ny avy amin’ny Centre for Economics Journalism, Rhodes University, Grahamstown ary ny avy amin’ny Forum for African Investigative Reporters (FAIR), Johannesbourg no miara-misalahy mandritry ny tapa-bolana manao izay hahatomombana ny fiofanana.
Tsy vitan’ny hoe fianarana an-dakilasy fa eo indrindra koa ny fitsidihan’ireo mpanao gazety ireo haino aman-jery sy gazety anisan’ny goavana ao Afrika Atsimo dia ny “Mail and Guardian” izay tafiditra ao anatin’ireo gazety 7 voalohany eran-tany be mpamaky indrinda, eo koa ny SABS, haino aman-jerim-panjakana ao Afrika Atsimo. Ankoatra ireo dia nampahafantarina ireo mpanao gazety ihany koa ny tantaran’i Afrika Atsimo tamin’ny alalan’ny fitsidihana ny Constitutional Hill, fonja tamin’ny andron’ny fanavakavaham-bolon-koditra lasa mozea ankehitriny sy ny fitsidihana ny tanànan’i Mandela, Soweto, izay tanàna nipoiran’ny tolona ho amin’ny fitovian-jo eo amin’ny mainty sy ny fotsy hoditra. Mbola taterina amintsika miandalana eto ihany moa izany
Soa (Johannesbourg)
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.