Actualités

Asa fanaovan-gazety Tena mahaliana ny tanora ankehitriny


  • Sabotsy 10 Jona 2017

Anisan’ny lalam-piofanana iray tena mahaliana ny tanora eto amintsika ankehitriny ny serasera hahafahana miditra amin’ny asa fanaovan-gazety.

 

 28 mianadahy ireo vonona hiditra amin’ity sehatra iray ity ho an’ny oniversite Aceem, etsy Manakambahiny saingy ny efatra ihany no nahavita namoaka gazety  sy horonantsarimihetsika nanaovany fampiharana ny fianarana norantoviny. Mpianatra ao amin’ny taona fahatelo izy ireo raha araka ny fanadihadiana natao ary manana tanjona ny hitondra avo dia avo ny sehatry ny fanaovan-gazety eto amintsika. Omaly no nasehon’izy ireo ho hitan’ny besinimaro tetsy Manakambahiny ireo voka-pikarohana ireo, natrehin-dRatrema William, lehiben’ny vondro-panabeazana Aceem. Nambaran’ity farany fa tena tia mianatra sy manana ezaka tokoa ny tanora Malagasy. Ny indro kely dia tsy ampy fikarohana sy famoronana izy ireny asa izay tena tokony hatao entina hanasongadinana ny firenena, hoy izy. Miantso ny tanora mba hiroso amin’ny sehatry ny famoronana ity mpanabe iray ity noho izany. Miantso ny fanjakana mba hametraka rafitra hanampiana ny tanora ihany koa ny tenany na ara-bola na ara-pitaovana hahatrarana ny tanjona tiana hokendrena.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT