Nindaosin’ny fahafatesana ny sabotsy maraina teo tamin’ny 2 ora, rehefa nolazoin’ny aretin’ny voa nandritra ny 12 volana ny namana mpanao gazety Andriamaro Ratovonjanahary,
fantatry ny maro amin’ny anarana Andry Ratovo. Ny alakamisy lasa teo izy, raha ny fanazavan-dRamatoa Fanja vady navelany no tsy nahatsiaro tena tampoka ka nampidirina haingana teny amin’ny hopitaly Befelatanana. Noho ny fahataran’ny dialyse tokony ho natao taminy no nitarika ny fahafatesany. Notsiahiviny fa dialyse in-droa isan-kerinandro no tsy maintsy natao taminy fony fahavelony. Handaniana 5 hetsy isaky ny mandeha raha kely indrindra nefa efa tena tsy nahita nosarangotina intsony ny fianakaviana. Afa-po tamin’ny ezaka nataon’ny fianakaviana sy ireo tonga nanolo-tanana nidodododo nanampy azy ireo ara-bola, indrindra ireo nitrotro am-bavaka azy mianakavy kely andro aman’alina izy ireo. Tsiahivina fa efa mpanao gazety teto anivon’ny gazety an-tsoratra Tia tanindrazana ary tao amin’ny l’Express de Madagascar ihany koa ny namana Andry Ratovo ary tonian-dahatsoratra tao amin’ny sobika.com izy izao nandao ny tany izao. Nialoha izay dia mpanao gazety tao amin’ny fahitalavitra MaTV izy ary anisan’ny nirona bebe kokoa tany amin’ny fanatanjahantena. Izy no mpanentana ny fandaharana Mahery tao amin’io fahitalavitra io. Namela kamboty efatra mirahalahy Itompokolahy. Anio alatsinainy 14 aogositra no hiala ao an-tokantranony etsy Ambohitrarahaba ny razana. Hatao veloma farany ao amin’ny fiangonana FLM Androhibe, mialoha ny hametrahana ny nofo mangatsiakany any amin’ny fasan-drazany any Fianarantsoa ny alarobia ho avy izao. Efa namita ny adidiny namangy sy nankahery ny fianakavian’Itompokolahy teny Ambohitrahaba ny minisitry ny serasera Harry Laurent Rahajason sy ireo mpiara-miasa aminy. Izahay eto amin’ny gazety Tia Tanindrazana dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany.
Tia Tanindrazana
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.