Actualités

Asa fanaovan-gazety Niharan’ny fanenjehana mafy tato anatin’ny dimy volana izao


  • Talata 25 Mey 2010

Sarotra ary mihatra aman’aina ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara tato anatin’ity krizy 2009-2010 efa mananika ny 15 volana ity. Vao mainka nihamafy ny fanenjehana tato anatin’ny dimy volana teo izao, hatramin’ny volana desambra 2009 no ho mankaty no marimarina kokoa.

Endrika maro no nisehoan’izany raha tsy hitanisa afa tsy ireto tranga vitsivitsy ireto. 22 desambra 2009, roa andro monja taorian’ny nanendrena an’i Camille Vital ho Praiminisitra lehiben’ny governemanta, namoahan’ny Minisiteran’ny serasera taratasy ny radio Fahazavana, tsy hahazo handefa “vaovao” sy hampiato ny fandaharana “Ampejiky” mandritra ny iray volana. Fanasaziana nifanandrify indrindra tamin’ny fikasan’ny ankolafy telo, Zafy, Ratsiraka ary Ravalomanana, hametraka ireo depioteny mpikambana ao amin’ny Kaongresin’ny Tetezamita teny Tsimbazaza. Tamin’io andro io dia nandefasany taratasy fampitandremana ihany koa ny radio Viva. 8 janoary 2010, notanana am-ponja vonjimaika ny Talen’ny radio Fahazavana, Didier Rolland Ravoahangiarison sy ny mpanao gazety Lolot Ratsimba, nampangaina ho niray tsikombakomba tamin’ny raharaha nambara fa fanonganam-panjkana nitranga teny amin’ny Rezimantan’ny hery sy Tohana na RAS Ampahibe ny 28 desambra 2009, fa hoe tsy nampahafantatra io tranga io tamin’ireo lehibe mpifehy ny foloalindahy izy ireo. Notanana 40 andro sy 40 alina teny amin’ny fonjan’Antanimora ireto mpanao gazety ireto noho iny raharaha iny. Volana febroary 2010, nahazo taratasy avy amin’olon-tsy fantatra ny gazety Madagascar Tribune, mandrahona ny handoro ny toeram-piasan’izy ireo. Mpanao gazetin’ny Sobika.com ihany koa no nahazo antso avy amin’olon-tsy fantatra mandrahona azy hosamborina. Mpanao gazety tsy miankina tao Antsiranana no nifanenjehan’ny mpianatry ny oniversite nanao fihetsiketsehana nidina an-dalambe tao Antsiranana izy ireo nitaky ny vatsim-pianarana, teo am-panatanterahana ny asany, naka sary. Mpanao gazety roa hafa koa, masoivohon’ny “Ino Vaovao” ny iray ary mpanao gazetin’ny RNA sady masoivohon’ny gazety Ritsoka ny faharoa no niharan’ny herisetra tao Toamasina nandritra ny hetsiky ny mpianatry ny oniversite tao Barikadimy ny 13 mey lasa teo.

Nisafoaka koa ny mpanao gazety teto an-drenivohitra tamin’ny teny nambaran’i Camille Vital teny Fort Duchesne ny 10 martsa 2010, izay nanebahany ampahibemaso ny mpanao gazety sy ny asa fanaovan-gazety amin’ny ankapobeny tao anatin’ny raharaha FIGN. Voatery niakatra tamin’ny haino amanjerim-panjakana i James Ramarosaona, mpanolotsainy manokana sady mpanao gazety rahateo, nanarina ny teny voalazan’ny lehibeny. 15 mey 2010, nidiran’ny mpitandro ny filaminana an-keriny ny foiben-toeran’ny Fréquence Plus. Fitaovana maro no potika tao anatin’izany, ary mpanao gazety vavy iray sy teknisianina roa hafa miasa ao amin’ity onjampeo ity no niharan’ny vono tamin’io andro io. Nametraka fitoriana teny anivon’ny sampan’ny zandary misahana ny heloka bevava ny teo anivon’ny Fréquence Plus, saingy hatramin’ny omaly, raha nanontany ny Talen’ny famoahana ity onjampeo ity dia toa mangingina be ihany ny amin’iny raharaha iny. Vao ny alakamisy 20 mey teo, no niharan’ny torabato ny foiben-toeran’ny La Gazette de la Grande Ile Ankorahotra ka nahavaky ny fitatry ny trano. Mpaka sary vitsitsy koa no niharan’ny fandrahonana.

Fa ny nanamarika io andro io dia ny fanakatonana sy ny fanagiazana ny fitaovan’ny radio Fahazavana, izay radion’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara. Nangataka ny lisitr’ireo entana nogiazana ny tompon’andraikitra fa tsy nahazo. Nontosaina tamin’ny andro alina, tokony ho tamin’ny folo ora sy sasany alina, ny fisavana ny trano sy ny fanakatonana raha tokony ho andro mazava no anatanterahana izany araka ny voatondron’ny lalàna. Mpiasan’ny radio enina, ka mpanao gazety ny efatra no nosamborina ny alin’io alakamisy 20 mey io ary notanana hanaovana fanadihadiana eny anivon’ny Brigade Criminelle Anosy. Tsy nijanona teo izany fa mbola nitohy ny fisamborana, ka tafakatra sivy ny mpiasan’ity onjampeo ity voatana hatramin’izao ary mety mbola hitatra amin’ny sehatra hafa izany. Santionan-javatra ilazana ireo fa sarotra ny fanatanterahana ny asa fanaovan-gazety ankehitriny, indrindra amin’ny vanim-potoana ilazana demokrasia. Ankoatra ny fanohintohinan’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety dia ilay zo fototra omen’ny lalàmpanorenana ny olom-pirenena tsirairay avy hahazo vaovao mihitsy amin’izao fotoana izao no baraingo.
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Faminaniana vaovaon'i Pr Mailhol
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Amin'ny 2030

  • Fampandrosoana miainga
  • Zoma 24 Aprily 2026

amin’ny famokàrana Nampiharin’ny mpanjanaka

  • Tany eto madagasikara
  • Zoma 24 Aprily 2026

Hofoanana ny tany colons,

  • Business day
  • Zoma 24 Aprily 2026

andiany voalohany

  • NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY
  • Zoma 24 Aprily 2026

MARIO mpitondra lakana

Hijery ny tohiny
FTT