Ankoatra ny adihevitra maro nandresen-dahatra ny antenimiera roa tonta sy ny teo anivon'ny firenena mikambana ary ny masoivoho amerikanina momba ilay sata mifehy ny fifandraisana na ny “code de la communication”,
dia anisan'ny natrehan'ny birao sy ny filohan'ny holafitry ny mpanao gazety niarovana ireo mpanao gazety namana maromaro teny amin'ny mpitandro ny filaminana na fampanoavana sy ny fitsarana noho izy ireo nisy nitory tamin'ny fanatanterahany ny asany (délit de presse), hoy ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety, Gerard Rakotonirina, no azo amintinana ny tontolo niainan’ny asa fanaovan-gazety tamin’ity taona ity. Notsiahiviny fa resaka fanalam-baraka an-gazety na fanelezana vaovao tsy marina no nitoriana ireny mpanao gazety narovan'ny holafitra ireny.Anisan'izany ny raharaha nitorian'ilay mpandraharaha eo amin’ny tontolon’ny andramena izay nisy nitana an-keriny ny zanany mianadahy. Notorian’io mpandraharaha io ny mpanao gazety sy ny talen'ny famoahana ny gazety 'Zay Zany sy Malaza. Teo ihany koa ny raharaha nitorian'ny orinasa Samada ny gazety La vérité sy Madagascar Matin sy ny resaka raharaha tany Ambatondrazaka. Ankoatra izay dia nanamarika iny taon-dasa iny ihany koa ny fikarohana vahaolana momba ny fanitsahana onja nataon'ny haino aman-jery ny fréquences ASECNA tany Mahajanga sy ny fidirana an-keriny nataona depiote iray tao amin'ny haino aman-jery tsy miankina izay nanohintohinana ny asa fanaovan-gazety. Tao koa ny olan'ny mpanao gazety tany Taolagnaro momba ny fanendrikendrehan'ny mpitondra any an-toerana ho tsy mamoaka vaovao raha tsy omena vola ... Ankoatra ireo ny olana madinika tsy mampitovy hevitra ny manampahefana any amin'ny faritra amin'ny vaovao mitombina avoakan'ny mpanao gazety. Teo ihany koa ilay lahatsoratra mahakasika ny minisitry ny polisy izay nampiantsoana ny mpanao gazetin’ny Midi Madagasikara ny volana oktobra teo.Sarotra ny niainana ny tontolon'ny asa na nalalaka aza ny asa fanaovan-gazety noho ireo endrika teritery na avy amin'ny mpampiasa na ireo mihevitra ho manam-pahefana kely, hoy hatrany ny filohan’ny holafitra. Ny Traikefa azon'ny mpanao gazety tamin'ireo fihaonana an-tampony (francophonie, UPF sy Comesa) kosa dia azo ambara ho fanamafisana ny fahaiza-manaon'ny mpanao gazetintsika, indrindra ireo tanora tsy nandrakotra fihaonana lehibe toy ireny, dia heverina fa hanampy ny mpanao gazety hiasa matihanina kokoa
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.