Mijoro ary nampahafantarina ny sabotsy 15 novambra teo ny «Fiombonamben’ny Orinasan–gazety Tsy miankina eto Madagasikara».
Noho ny fitsabahan’ny Fanjakana amin’ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara sy ny fisian’ny teritery samihafa, mivantana na an-kolaka, eo amin’ny fitrandrahana sy famoaham-baovao atao amin’ny mpanao gazety no anisa’ny antony, hoy ireo mpikambana mpanangana ny FOTM ary hitsangana ho fahefana ara-moraly ka hanao izay hipetrahan’ny «déontologie» sy etika bebe kokoa eo anivon’ny asa fanaovan-gazety tsy miankina. Ny FOTM dia ivondronan’ireo Tompona gazety sasantsasany toa an’i Rolly Mercia (Tale Jeneraly “Groupe de Presse Sodiat”) sy Lola Rasoamaharo (Filohan’ny “La Gazette de la Grande Ile»), tomponandrakitra eo anivon’ny gazety ary mpanao gazety tsy miankina amin’ny Fanjakana Franck Ramarosaona (Talen’ny Famoahana « Groupe de Presse Ultima Média»), Lalatiana Rakotondrazafy (Mpanorina sy Talen’ny Famoahan’ny Radio «Free Fm»), Rocco Rasoanaivo (Talen’ny Famoahan’ny “La Nation”). Misy folo izy ireo no mitantana ny Birao vonjimaika ary mivoy ny tsy tokony hanatanterahana ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.