Mbola maro ny ezaka tokony hatao ho fanatsarana ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara hoy ireo Tonian’ny fanoratana ny gazety maromaro nihaona tao amin’ny Villa Fitiavana, tranon’ny Mpanolontsaina amin’ny Serasera sy Kolotsainan’ny Masoivoho Amerikana, Atoa Brett Bruen mivady ny faran’ny herinandro lasa teo.
Naharitra adiny iray sasany ity fihaonana ity, izay nifampizarana vaovao sy niresadresahana ny tontolo manodidina ny fiainana eto Madagasikara na ara-politika, na ara-tsosialy na ara-toekarena, ary indrindra ny asa fanaovan-gazety amin’ny ankapobeny. Fotoana ihany koa nanamafisana ny maha-zava-dehibe ny fandraisan’anjaran’ny tanora amin’ny fampandrosoana ny fiaraha-monina, ary nampanantenan’ny Masoivoho Amerikana ny famindrana ny Centre de Presse na Foiben-toeran’ny Gazety, izay tao Antanimena talohan’ny fifindran’ny Masoivoho teny Andranomena, ka haverina aty ampovoan-tananan’Antananarivo tsy ho ela, mba ho akaiky kokoa ny mpanao gazety ka hampirisika azy ireo hitsidika izany toy ny teo aloha indray. Isam-bolana no heverina hanantaterahin’ny Masoivoho Amerikana ity karazana fihaonana amin’ny ireo Tonian-dahatsoratry ny gazety sy ny haino aman-jery eto an-toerana ity mba hifanakalozan-kevitra sy hifandinika ny mety ho fiara-miasa ho fampandrosoana ny asa fanaovan-gazety, no sady koa hizaran’izy ireo ny vaovao misy eo anivon’ny masoivoho amin’ny ankapobeny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.