Actualités

Asa fanaovan-gazety Handray an-tanana ny hoaviny ny mpanao gazety


  • Alatsinainy 27 Septambra 2010

Nampisavorovoro ny mpanao gazety ny fehin-kevitry ny mpizaika tamin’ilay fihaonambem-pirenen’ny FAT nasaina nokarakarain’ny Raiamandreny Mijoro farany teo, mikasika ny asa fanaovan-gazety, indrindra ny fanagadrana mpanao gazety noho ny asa nataony.

Manampy trotraka izany ny fitsilopilopiny mba tsy hilazana fa tsy fisian’ny Holafitra amin’izao fotoana izao, ka dia betsaka ny manararaotra, toy ny nitranga tamin’iny fihaonambem-pirenena iny izay olon-kafa ivelan’ny asa fanaovan-gazety no nasaina hidinika sy hanapa-kevitra momba io asa io, izay mahagaga ihany. Vokany, tsy niandry ela fa ny sabotsy 25 septambra teo ihany dia nifamory tao amin’ny CEMDLAC Analakely izay mpanao gazety tratra antso nandinika ity toe-draharaha ity. Mpanao gazety niisa 55, avy amin’ny orinasan-tserasera miisa 36 no tonga. Tao avokoa na mpanao gazetim-panjakana na ny avy amin’ny tsy miankina amin’ny fanjakana : radio, fahitalavitra, aterineto, gazety an-tsoratra, miasa tena. Taorian’ny fanazavana, voaresaka tamin’izany ny lalàna 90-031, sy ny famakafakana ny zava-misy dia nisy ny fanapahan-kevitra niraisana. Anisan’izany ny fangatahana ny hampiatoana ny fampiharana izay tinapaka teny Ivato farany teo. Natsangana ny Komity iraisana, ahitana mpikambana 14, hitety io andrim-panjakana mahefa io hanazavana ny raharaha. Hisy indray fivoriana hatao amin’ny sabotsy 02 oktobra hanaovana tombana ny asa mikasika izany.

Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT