Ny fahalalahana amin’ny fivavahana, ny fahalalahana maneho hevitra, ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, ny zon’olombelona, dia samy tafiditra ao anatin’ny fanitsiana voalohany ny lalàmpanorenana amerikana.
Ary raha misy asa arovan’izany lalàmpanorenana izany dia ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. Iray amin’ireo atao hoe Trano Tahiry goavana indrindra eran-tany ny Newseum ao Washington. Saika voarakitra ao avokoa ny nanjo ireo mpanao gazety maneran-tany. Hita ao koa ireo rehetra namoy ny ainy teo am-perinasa. Ho an’i Madagasikara manokana dia mpanao gazety roa no voarakitra ao dia i Ando Ratovonirina, tao amin’ny RTA izay namoy ny ainy teo am-perinasa ny 07 febroary 2009, nandritry ny fifampitifirana teny Ambohitsorohitra. Ankoatra azy dia ao ihany koa i Victor Randrianiriana izay namoy ny ainy ny taona 1994. Araka ny fanazavana, dia nisy fifandraisana tamin’ny fanadihadiana nataony momba ny fitrandrahana safira ny nahafatesan’ity mpanao gazety tao amin’ny RNM ity. Voasoratra ao koa ny sokajy misy ny firenena tsirairay avy eo amin’izay fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety isam-pirenena.
Ho an’i Madagasikara manokana mbola dia voasokajy ho faritra mena ny aty amintsika raha ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety no asian-teny. Tsy misy mihitsy ny fahalalahana, araka ny voasoratra sy hita amin’ny sary, satria dia mena avokoa ny tanin’i Madagasikara, raha toa ka mavo ny atsy Seychelles sy Comores, izany hoe misy fahalalahana amin’ny ampahany. Toa manaporofo sy manamafy ny zava-misy eto amintsika moa izay fanasokajiana ny firenentsika ho faritra mena izay, raha tsy hiteny afa tsy ny niseho tato anatin’ny herintaona. Am-polony ireo nofonjaina, ary dia mbola tavela any am-ponja ny ankamaroany hatramin’izao. 89 andro anio, ohatra, no nofonjaina ireo mpanao gazety sy mpiasa eo anivon’ny radio Fahazavana. Tokony ho omaly no nandalo fitsarana izy ireo saingy noho ny antony tsy fantatra anefa dia tsy niroso indray izany fotoam-pitsarana izany. Tsy mbola fantatra aloha hatreto hoe rahoviana indray no hiakatra fitsarana ireo mpanao gazety ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.