Lasibatry ny asa fampihorohoroana ataon’ny Djihadista i Frantsa. Nisesy izany tamin’ity taona 2015 ity.
Teo ny fanafihana ny foiben’ny gazety Charly Hebdo nahafatesana olona 12 ka mpanao gazety ny ankamaroany. Nisy koa ny fanafihana toeram-pivarotana Hyper Cacher tazonin’ny Jiosy. Vao ny alin’ny zoma teo ny tifitra variraraka tao amin’ny efitrano fijerena fampisehoana Bataclan sy fanapoahana baomba nataon’ny mpanao viveriaina teo amoron’ny Stade de France, nahafatesana olona 132, araka ny tarehimarika vonjimaika. Samy tao Paris renivohitra frantsay avokoa ireo no nitranga, ary ampahany ihany. Nanokana telo andro ho fisaonam-pirenena ny Frantsay noho ity tranga farany ity, izay toa efa nokendren’ireo mpampihorohoro hotanterahina tao anatin’ilay finoanoam-poan’ny Frantsay sasany hoe : “Vendredi 13” andro ratsy. Nohamafisina ny fisavana sy fanaraha-maso ny fivoahana sy fidirana an’i Frantsa. Nanameloka iny tranga iny avokoa ny ankamaroan’ny firenena maneran-tany, na mampieritreritra ihany aza ny an’ny sasany toy ny nilazan’ny filoha Sirianina Bachar el-Assad, fa izao vao fantatr’i Frantsa ny zavatra niainan’ny Sirianina nandritra ny dimy taona. Etsy an-kilany dia mizarazara ny hevitry ny olon-tsotra, manoloana iny tranga iny, raha ny heno amin’ny haino aman-jery sy amin’ny tambajotran-tserasera. Ho an’ny eto Madagasikara dia mifanojo amin’ny fotoana mampiakatra ny fitakiana amin’ny Frantsay ny hamerenany ireo nosy Malagasy antsoina hoe : “Iles éparses” no miseho ity zava-doza tao Paris Frantsa ity, ka mahatonga ny ahiahy ary mitarika ny sasany hametra-panontanina hoe : sao lahy ka hiitatra aty Madagasikara toy ny nanjo ny Kenianina sy ny Tanzanianina ity raharaha ity, noho i Madagasikara izay hampiantrano ny fihaonana an-tampon’ny Frankôfônia amin’ny 2016, sy i Madagasikara izay firenena anisan’ny betsaka teratany Frantsay indrindra aty Afrika.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.