Actualités

Asa fampihorohoroana Eto Madagasikara ny Djihadista ?


  • Alakamisy 02 Aprily 2015

Mahoraka any ivelany ny fisian’ny Djihadista eto Madagasikara. Toy ny mpizahatany no ahatongavan’izy ireo eto, maka “visa” manan-kery telo volana avy eo miondrana indray.

Araka ny tati-baovaon’ny tranonkala renioney indian-ocean-times.com dia ataon’ireo sampam-pitsikilovana amerikana FBI sy ny CIA andrimaso i Madagasikara, voakasik’izany manokana iny faritra atsinanan’ny Nosy iny sy ny any Maintirano amin’ny ilany andrefana ary iny Vaingaindrano iny any Atsimo Atsinanana. Manahy izy ireo fa mety hitsimbadika ho azy mankany amin’ny silamo mahery fihetsika ny fitomboan’isan’ireo sekoly fampianarana Kôrany amin’ireny faritra ireny. Ny firongatry ny trafika sy ny gaboraraka amin’ny fiarovana ny sisintanin’i Madagasikara rahateo dia varavarana misokatra midanadana ho an’ireo mpampihorohoro. Manginy fotsiny ny kolikoly mahazo vahana ka mora ho an’ny vahiny miditra eto ny fahazoana “visa” fanome ny mpizahatany eny am-pahatongavana amin’ny seranam-piamanidina Ivato. Tranga izay manintona ireo djihadista sy vondrona mpampihorohoro hisafidy an’i Madagasikara ho anisan’ny tany fanomanan’izy ireo ny dia hanaovana asa ratsy.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT