Actualités

Asa fampihorohoana Malagasy iray nosamborina


  • Zoma 27 Novambra 2015

Teratany karana iray mizaka ny zom-pirenena malagasy sy frantsay no nosamborin’ny mpitandro ny filaminana ny alatsinainy teo.

 

 Miatrika fanadihadiana ankehitriny io lehilahy izay efa tratra nitondra fitaovam-piadiana tsy nahazoana alalana tany Frantsa tamin’ny  taona 2000 io. Ahiana ho miray tsikombakomba amin’ny  mpanao asa fampihorohoroana izy ka ny mpitandro ny  filaminana frantsay no nanome ny vaovao ny  mpitandro ny filaminana malagasy. Mandefa teny fankahalana ny frantsay tao amin’ny tranonkalam-pifandraisany ity  lehilahy ity ary nisy teny nampiahiahy  nataony tao no nahatonga ny  mpitandro ny filaminana  nisambotra azy. Rehefa nosavaina ny solosainan’ity lehilahy ity  dia  nahitana horonantsary  maro misy  fanentanana amin’ny asa fampihorohoroana. Hita tao ihany koa fa misy fifandraisany amina olona any  Syrie ny  tenany. Hita taratra tao anatin’ny solosainan’ity  ranamana ity ihany koa fa nisy  zavatra  nofafana tao anatin’izany milina izany.Tsy mbola fantatra kosa na  manana fikasana ny hanao asa  fampihorohoana eto Madagasikara  na saika haka olona hanao izany  asa izany eto  ity lehilahy ity  na ahoana. Nisy  namany izay saika hihazo an’i Eropa  moa  izay voatery notazomina vonjimaika amin’izao fotoana izao. Tsy  tena mbola  anisan’ny tany  tena atahorana amin’ny hisian’ny asa fampihorohoroana i Madagasikara  na dia efa maro aza ireo vaovao  mampiahiahy  saingy  manara-maso akaiky  ny  vaovao rehetra  ny mpitandro ny filaminana  malagasy  herintaona  katroka alohan’ny  handraisana ny fivorian’ny tany  miteny  ampahany na manonotolo ny  teny frantsay eto Madagasikara. Mifandraika amin’izay indrindra dia efa  asiana fiambenana manokana ankehitriny ireo toerana saropady samihafa ahitana teratany frantsay maro toy ny biraon’ny masoivoho sy ny sekoly  fianarana.

Andry Ratovo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT