Tsy mety misy farany ny tantara ratsin’ny mpiasa Malagasy any Liban. Renim-pianakaviana iray antsoina hoe Razanatsilofo Nivo Harisoa, 23 taona no namoy ny ainy, roa volana latsaka herindrano katroka, noho ny fahatapahan’ny lalandra lehibe tao amin’ny lohany araka ny fanazavan’ny hopitaly nandray an-tanana azy tany an-toerana.
Noho ny antony tsy mazava amin’ny fianakaviana dia notazonina tao anatin’ny efitrano mangatsiaka na “chambre froide” ny vatana mangatsiakany nandritra izay fotoana izay. Ny alarobia alina hifoha omaly alakamisy teo kosa izany vao nigadona an-tanindrazana. Nitsena ny razana teny Ivato ny reniny Ravaoarisoa Gisèle sy ny fianakaviana notronin’ny sendikan’ny mpiasa sosialy sy ny ministeran’ny mponina. Tsy mitombina ny fanazavana nomen’ny manampahefana libaney momba ny antony nahafaty an’i Harisoa ho an’ny reniny izay nanambara fa “tsy mba taizan’aretina no sady tsy mbola niditra hopitaly izany mihitsy izy hatramin’izay”. Tsy nanaiky moa ny fianakaviana raha tsy nozahana ny razana teo am-pahatongavana sao sanatria tsy vatan’ny havany no nalefa aty na koa nisy nangalatra ny taovany sasany. Nosokafana ny vatapaty araka izany saingy tsy afaka nizaha ny razana akory ireo nanatrika noho ity farany efa voafono lamba. Nifandray hatrany tamin’itompokovavy ny reniny fony fahavelony ary nitaraina iharan’ny herisetra ataon’ny mpampiasa azy hatrany izy. Tsy nanana olana kosa anefa izy tamin’ny karamany izay 150 dolara isam-bolana satria azony avokoa izany ary voarain’ny reniny koa ny karamany nandritra ny sivy volana farany.
Raha ny fanamarihan- dRavaorisoa ihany dia tsy sitrany ny nandehanan’ity menaky ny ainy tany Liban saingy tsy afa-nanoatra izy satria andro vitsy mialoha ny handehanany itompokovavy vao nampandre ny reniny. Nilaza izy fa tsy afaka miverina amin’ny fanapahan-keviny intsony raha tsy izany dia voatery manefa amin’ny “Agence” ny lany tamin’ny fikarakarana ny “visa”. “Tsy nandray andraikitra mihitsy fa mitsoatsoaka hatrany anefa io “Agence” nandefa azy tany ivelany io raha vao nanomboka niseho ny olana”, hoy Ravaoarisoa. Nanamarika moa i Jeannoda, filohan’ny sendikan’ny mpiasa sosialy izay anisan’ireo delegasiona teny Ivato fa tokony hatsahatra ny fandefasana mpiasa Malagasy any Liban. Tokony handraisana fepetra koa, hoy izy ireo Agences izay mitsoaka andraikitra ka tsy manara-maso na manao tatitra akory momba ireo mpiasa nalefany. Niantso ny fanjakana mba handray ny andraikiny koa ny tenany amin’ny fanajana ny fifanarahana izay nosoniaviny. Nankato ny fifanarahan’i Palerme izay mandrara ny fandefasana olona latsaky ny 21 taona hiasa any ivelany isika kanefa tsy manaraka izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.