Actualités

Asa any Liban Fanandevozana fa tsy fivelomana intsony


  • Alarobia 16 Jona 2010

Tovovavy Malagasy roa indray tato anatin’ny roa volana no maty tany Liban, ary ny iray aza moa araka ny filazan’ny fianakaviany dia tsy mbola tafaverina an-tanindrazana ny vata mangatsiakany hatramin’izao, na dia efa tamin’ny 30 aprily aza izy no nodimandry.

Rehefa nisy ny fangataham-panazavana natao dia ireo tompon’andraikitra tamin’ilay orinasa nandefa azy indray no nanao teny an’avona sy nanao valin-teny bontolo, raha ny fitantaran’ny renin’ity tovovavy nodimandry ity. Araka ny filazan’ny fianakavian’ireto vehivavy miasa any Liban ireto dia mafy tokoa ny manjo ireo zanany sy havany any, indrindra fa rehefa marary. Tsy idiram-potsiny mantsy fa tsy maintsy andoavam-bola ny hopitaly any Liban. Misy fotoana anefa dia tsy omen’ny mpampiasa azy ny vola ilaina ireo mpiasa marary mitsabo tena ireo ka voaroaka tsy mahazo mijanona ao amin’ny hopitaly. Amin’ny ankapobeny dia ratra noho ny fikasihan-tanana, aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo ary aretin-tsaina no mahazo ny vehivavy malagasy mila ravinahitra any Liban, araka ny fanazavan’ireo fianakaviana ihany.

Nanamafy izy ireo fa isan-kerinandro dia misy hatrany ny marary ary mety misy koa ny mamoy ny ainy saingy mety afenin’ny mampiasa azy. Ho an’ireto fianakaviana nanana havana nitondra takaitra na maty mihitsy noho ny zavatra nihatra taminy tany Liban ireto, dia vahaolana tsara indrindra ny fampodiana ireo vehivavy malagasy rehetra miasa any Liban, sy ny fampitsaharana ny fandefasana mpiasa hafa ho any, satria tsy asa no misy any fa tena fanandevozana sy fitrandrahana olona, araka ny filazan’izy ireo azy. Marihina fa miasa an-tsokosoko ary tsy manana taratasy ara-dalàna ny vehivavy malagasy an-jatony, amin’ireo 6 000 miasa any Liban. ka mety ho izay angamba no mahatonga ireo mpampiasa sahy manao izay tiany amin’izy ireo. Fa ny tena loza, araka ny filazan’ireo fianakaviana ihany dia misy indray izao ny fitaka bevava atao amin’ny Malagasy ka ilazana fa misy asa manara-penitra sady azo antoka any Maorisy. Ny tena marina anefa, hoy izy ireo dia alefa any Liban ihany ilay olona rehefa avy eo fa tsy lasa any Maorisy izany. 

RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT