Actualités

Asa any Liban Avy ao Maurice sy Dubai indray no miondrana ireo mpiasa malagasy


  • Talata 27 Aprily 2010

Tsy mitsaha-mitombo ireo vehivavy malagasy niasa tany Liban nitodi-doha an-tanindrazana rehefa niharan’ny vono sy herisetra isan-karazany ataon’ny mpampiasa azy.

Mirahavavy izy ireo no nigadona teto an-drenivohitra ny alakamisy lasa teo ka tapa-tongotra ny iray raha very saina tanteraka kosa ilay faharoa. Manaraka fitsaboana etsy amin’ny hopitaly Hjra ity tovovavy maratra ity ankehitriny. I Rosinah Charlotte no anarany. Ny fianjerany avy amin’ny rihana voalohany no nahavoa ny tongony ka nidirany hopitaly nandritra ny iray volana sy tapany tany Liban. Raha ny fanazavany dia misy fanahy ratsy manaloka sy mibaiko azy hatramin’io loza io. Nahazo ny karamany hatrany izy nandritra ny roa taona niasany tany an-toerana afa tsy ny efa-bolana farany izay niatombohan’ny savorovoro tamin’ny mpampiasa azy. Nanadala azy mantsy ilay rangahy fa tsy nekeny, ka nanomboka teo ny toetra tsy zaka sy fihetsika mahery nataon’ity farany taminy izay niafara tamin’io fianjerany io.

Nitsidika azy teny amin’ny hopitaly HJRA ny minisitry ny mponina Ramaroson Nadine omaly tolakandro ary nitondra fanampiana ihany koa. Nandritra izany no nilazan’ny minisitra fa tsy afaka mampody avy hatrany ireo mpiasa rehetra any Liban ny fitondram-panjakana satria tsy manana ny enti-manana ara-bola hanoherana ny saran’ny fanapahana ny fifanarahana arak’asa eo amin’ny mpiasa sy ny mpampiasa azy na dia naharay fitarainana maro aza. Ankoatra izay dia misy amin’ireo mpiasa koa no miaina ara-dalàna fa tsy manana olana amin’ny mpampiasa azy. Nisy moa ny fananganana komity manokana hijery akaiky ity raharaha liban ity izay nahafantarana ny fisian’ny fitarainana miisa 273. Iharan’ny herisetra ara-batana, manana olana ara-tsaina sy ara-bola ny ankamaroan’izy ireo. Ankoatra izay dia andriambavilanitra 23 amin’ireo nanaovan’ny ray aman-dreniny fitarainana no efa hitan’ny Consulat any Liban ny toeram-ponenany. Ny 3 manaraka fitsaboana, 3 nandositra, 3 hafa koa nitsoa-ponenana ary 5 tsy manana fifanarahana arak’asa. Niantso ireo andriambavilanitra izay mbola manam-paniriana hiasa any Liban mba hanadino izany faniriany izany i Rosinah noho ny hamafin’ny asa sy ny vono mahazo ny mpiasa any an-toerana. Nataony izany antso izany satria mbola misy hatrany mpiasa mahita lalana andehanana any an-toerana raha naaton’ny fitondram-panjakana ny fandefasana olona ho any Liban ankehitriny. Raha ny fanazavan’ny minisitra Ramaroson Nadine dia mandalo ao amin’ny nosy Maurice na Dubai izy ireo ary any amin’ireo firenena vahiny ireo no ikarakarany ny antontan-taratasiny. Notsipihiny koa ny fisian’ny firaisana tsikombakomban’ireo Agence.
 
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JRP na Jeunes Responsable
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

et Patriote Mitsangana hifanolo-tànana

  • Mponina eny amin’ny Akamasoa
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nametraka fitoriana manoloana

  • Fanasohasoana sy fisolelahana be fahatany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Lasa tsipy hoditr'akondro

  • ANTSIRANANA
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Tsy ampy ny solika, misy sahady ny fanararaotana

  • Eliace Ralaiarimanana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Fitiavan-tanindrazana ny

  • Fiaraha-miasa marolafy
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

amin’ny Rosianina

Hijery ny tohiny
FTT