Tsy dia mavitrika loatra amin’ny fanentanana, mandritra ny propagandy ireo artista raha ny fahitana ny zava-nitranga tato anatin’ny telo herinandro izao.
Tamin’ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fampielezan-kevitry ny Komity mpanohana ny ENY no nahitana fandraisana anjaran’ny artista fanta-daza, tahaka an’i Lola tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina. Ity farany moa dia namoaka fanambarana ofisialy mihitsy fa tsy hanao fampisehoana mihitsy aloha ny tenany fa hifantoka amin’ny asa famoronana. Ny hafa kosa, indrindra fa ireo azo ambara fa manana ny maha izy azy sy mahasintona olona dia tsy hita mihitsy any anatin’ny fampielezan-kevitra. Fanamafisam-peo miaraka amin’ny hira miverimberina no entin’ireo mpanao propagandy mitety faritra, fa tsy misy mihitsy ny fampisehoana goavana tsy handoavam-bola na dia isaky ny faran’ny herinandro aza. Fa inona ary no mety ho anton’izany ? Mitokona koa ve ny artista ? Sa izao no atao hoe fiovana ? Maro koa no mieritreritra fa mitandrina mba tsy hahazo laza ratsy eo anivoan’ny fiarahamonina ireo mpanakanto, noho ny fahitana fa maro ny olona tsy resy lahatra intsony amin’ny zavatra ataon’ny fitondrana tetezamita amin’izao fotoana.
Ka ny mety dia ny mitazantazana fotsiny aloha, fa sady tsy manara-dia ny Eny no tsy miaraka amin’ny Tsia ihany koa. Tsy azo adinoina koa anefa fa anisan’ireo tsy faly loatra tamin’ny fanapahan-kevitry ny fitondrana tetezamita ny amin’ny hampiharana ny fametrahana ilay “hologramme” amin’ny CD sy DVD Original ny fianakaviamben’ny mpanakanto ary efa nampiaka-peo mihitsy. Efa nisy ihany moa ny marimaritra iraisana tamin’io resaka io, saingy tsy afa-po ireo artista satria mitazam-potsiny ny firoboroboan’ny mpivarotra piraty ny fitondrana tetezamita, nefa toa artista ihany ny mpitondra. Ankoatra izay dia fahatsiarovana ratsy ho an’ny artista ny tamin’ny fetim-pirenena farany teo, satria betsaka no tsy nahazo karama, ary misy aza ireo mpihira tsy nahazo ny karamany hatramin’izao .
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.