Nizotra tamim-pilaminana ary tontosa soa aman-tsara ny asa soa ho fanampiana ireo fianakaviana sahirana tao Mananjary Ankatafana ny zoma lasa teo. Tao anatin’ny hafaliana no nandraisan’ireo vahoaka ireo ny fanampiana natolotra azy maimaimpoana. Olona miisa 800 teo ho eo, traboinan’ny rivodoza Hubert farany teo, avy amin’ny fokontanin’Ankatafana no samy nahazo anjara tamin’izany avy. Bodofotsy, koveta ary vary no nozaraina, niarahana tamin’ny solontenan’ny fikambanana «Armada Action Réflexion Madagascar Réunion» niarahana tamin’ny Dr Zakasoa sy i K. François. Raha ny fanazavan’ny mpikarakara dia tsy misy resaka politika velively ny hetsika notontosaina tao Mananjary fa fitiavana sy fifanampiana eo amin’ny samy Malagasy fotsiny ihany. «Tsy matory, mitebiteby mahatsiaro ireo havana eto Madagasikara izahay», hoy ihany ireto farany ary nianto-tena no tonga eto an-toerana.
Lanonana niarahana tamin’ny Dj Kany izay mpampandihy malagasy avy any La Réunion, Dragon Rouge Sôma Mahery ary i Khelene izay mpanakanto vao misondrotra kosa no namaranana ny hetsika. Mbola vonona ny hanohy ny ezaka sy ny fanampiana moa ity fikambanana ity ary tsy manadino ireo faritra maro tsy mbola nolalaovany. Miankina amin’ny fanampiana voaangona sy voaray amin’ny namana sy ireo malala-tanana avy atsy La Réunion ihany anefa no ahafahana manohy ny ezaka, hoy ihany ny mpikarakara. Ho fantatra miandalana eny ihany ny fizotry ny asa soa sy ny ezaka hatao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.