Actualités

Arina fandrehitra Mila hitovy amin’ny vidina “gaz” ny iray gony


  • Sabotsy 03 Martsa 2018

Tsy mitsaha-miakatra ny vidin’ny saribao amin’ny gony amin’izao eny an-tsena. Efa misy mahatratra hatrany amin’ny 25.000 Ar mantsy ny iray gony lehibe amin’ireo saribao kininina raha 16.000 Ar kosa no mora indrindra amin’ireo karazany antsoina hoe : tsorany.

 
 Raha araka ny fanadihadiana natao anefa dia 8.000 Ar no hakan’ireo mpivarotra ny saribao iray gony raha avy any amin’iny lalam-pirenena fahafito iny izy no alaina. Mbola misy hatrany amin’ny 7.500 Ar kosa raha avy any amin’ny lalam-pirenena faharoa no alaina ny entana toy ny ao Manjakandriana.  Maka tombony avo sasaka, araka izany, ireo mpivarotra. Nambaran’izy ireo fa ilay saran-dalana hitondrana ny saribao no tena olana satria kamiao mihitsy no tsy maintsy hampiasaina sady miditra any anaty ala no mangorona azy. Ankoatra izay, mbola vola ihany koa no hanakaramana ireo mpangady ny saribao any anaty lavaka izay tsy afaka miasa rehefa avy ny orana. Eo an-danin’izay anefa dia 30.000 Ar ny iray tavoahangy amin’ny gaz milanja 4 kg amin’izao raha 14.000 Ar ny vidin’ny tavoahangy. 83.500 Ar kosa ny tavoahangy milanja 12 kg raha 24.000 Ar ny vidin’ny tavoahangy. Ho an’itsy voalohany anefa dia mety maharitra ho ana olona miisa efatra mandritra ny tapa-bolana ny tavoahangina gaz iray raha herinandro dia lany ny saribao iray gony izay marihina fa mbola misy vovoka ihany koa any ambany sady ratsy kalitao.

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT