Amin’ny zoma ho avy izao no hanomboka ny fitsarana ny dosie 1565/17/COV izay mahakasika an’i Arfa Houcine, ilay gadra tafatsoaka. Ao amin’ny efitrano fahadimy, fitsarana ady heloka tsotra no hatao.
Mahakasika ny fisandohana andraikitra ho mpanolotsaina manokan’ny filoham-pirenena ary koa ny fanerena olona hanome vola ny anton’ny fitsarana. Misy depiote iray, manamboninahitra eo anivon’ny zandarimaria ary koa mpisolovava iray ao anatin’ny lisitry ny olona hotsaraina amin’ity raharaha ity. Fitsarana andiany voalohany ihany ity handeha ao Anosy amin’ny zoma izao ity satria mbola misy fiampangana hafa hitsarana an’i Arfa Houcine eo anivon’ny fitsarana ady heloka bevava indray io. Anisan’izany ny fitazomana basy tsy ara-dalàna, ny fikasana hifofo ny ain’ny filoha ary koa ny fitsoahana ny fonja. Hatramin’izay dia tsy mba heno mihitsy ny fisian’ireo olona izay niray tsikombakomba tamin’i Arfa Houcine tamin’ny raharaha ady heloka tsotra. Mbola mipetraka aza ny fanontaniana raha hamaly ny antson’ny fitsarana izy ireo (raha hisy koa izany). Amin’ny zoma no hahafantarana ny kipitsopitsony rehetra. Ankoatr’izay, mety azo eritreretina koa ny hahatongavan’ny mpisolovava an’i Arfa Houcine eto an-toerana mba hiaro ny olony. Mpisolovava malaza any Frantsa i Frank Breton noho ny fahasahiany miaro olona izay tafiditra amin’ny raharaha mangotraka toy ny asa fanakorontanana sy ny raharaha vono olona izay matetika misy hidiran’ny politika. Mandeha izany ny raharaha Houcine saingy na izany aza dia mbola baraingo kosa hatreto ny amin’ny raharaham-pitsarana mahakasika ireo mpiray tsikombakomba tamin’ny fampitsoahana azy. Notononony ny manam-pahefana telo dia ny tonia mpampanoa lalàna, ny minisitry ny fitsarana ary ny lehiben’ny sampana misahana ny heloka bevava eo anivon’ny polisy. Raha toa ka tsy tonga any amin’ireo ny fanadihadiana izay tohizan’ny raharaham-pitsarana dia mazava ho azy fa misy mizana tsindrian’ila momba ity dosie Arfa Houcine ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.